Mahajanga: Hita i Maminiaina, dimy andro taorian'ny hala-jaza niseho tao amin'ny hopitaly Androva

  • lundi, 17 septembre 2018 14:57
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Tafaverina soamantsara amin’ny ray aman-dReniny i Maminiaina, ilay zazavavy kely vao teraka nisy nangalatra tao amin’ny Complexe Mère-Enfant PZaGa Androva ny marainan'ny alarobia 12 septambra 2018.

Naterin’olon-tsy fantatra teny amin’ny bazary Morafeno, manandrify ny fivarotana vilany ary natao tao anaty harona ity zaza menavava ity.

Ramatoa handeha hivarotra vao maraina no naheno azy nitomany tao anatin’ilay harona ka nampandre avy hatrany ny polisy monisipaly izay tsy lavitra teo.

Voamarina fa tena ilay zaza very tokoa ity hita teny Morafeno ity, nanamarina izany ny fizahana nataon’ny mpitsabo sy ny fanamarinana nataon’ny ray aman-dreniny, misy hamatra ao amin’ny lamosiny.

Salama tsara i Maminiaina kely nandritra ny fotoana nahitana azy ny maraina teo. Mbola mitohy ny fanadihadiana lalina mahakasika ity raharaha hala-jaza niseho teto Mahajanga tampon-tanàna ity.

Hafaliana tanteraka ny an’izy mivady ray aman-dreny sy ny zokin’i Maminiaina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.