Mahajanga: Mpiambina iray maty voatifitra, lasan'ny jiolahy ny 20 tapitrisa Ariary

  • dimanche, 16 septembre 2018 13:09
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Mpiambina iray maty voatifitra, vola manodidina ny 20 tapitrisa Ariary no lasan'ny jiolahy nitondra fitaovam-piadiana nandritra ny fanafihana kioska manao Mobile Money, na irony fandefasana sy fakana vola irony, teny amin'ny Bois Sacré Mahajanga.

Tamin'ny 7 ora latsaka folo minitra maraina, ora fanateran'ny mpampiasa ny vola hampiasaina mandritra ny tontolo andro no nisehoan'ny fanafihana.

Avy hatrany ny lehilahy iray dia nanao sinto-mahery ny vola haterina. Iny handeha hanaraka ireo jiolahy iny no nitifiran'izy ireo ilay mpiambina ka nahafaty azy teo noho eo.

Roa lahy no nanao ny fanafihana, ny iray nisaron-tava ary ny iray kosa tsy nanafina endrika. Basy poleta no nampiasain'izy ireo.

Efa fanindroany no nisy nanafika ity toerana ity, tamin'izay voatsindrona antsy teo amin' ny feny ilay mpiasa.

Misy polisy mandrindra fifamoivoizana ihany isan'andro eo amin'ny Bois Sacré saingy mbola tany ampanaovana "rassemblement" Izy ireo nandritra ny fotoana nisehoan'ny fanafihana.

Teo ampovoan-tanana ny nisehoan'ny fanafihana saingy efa ho 20 minitra vao tonga ny mpitandro ny filaminana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.