Vohémar: Tovovavy Malagasy efa nahavita sazy 8 volana any Koweit nefa mbola tsy nomena fahafahana

  • samedi, 15 septembre 2018 22:38
  • Sary Gasypatriote Sambava

Mitalaho amin'ny fitondram-panjakana ny Ray aman-dreniny Atoa Armand sy BE Eugenie izay monina eto Manakana, Kaominina Antsarabaria Vohémar momba ny zanaka vavin'izy ireo, izay nosazin'ny fanjakana any amin'ny tany arabo, raha fikasana nandeha nitady no nialany taty Madagasikara tamin'ny Janoary 2017.

24 taona i BE Jacqueline Antonia, ary raha ny fitantarany tamin'ny ray aman-dreniny dia tsy fifanarahana tamin'ny mpampiasa voalohany nahatongavany tany Koweït rehefa nifindra toeram-piasana hafa izy.

Teraka ny disadisa dia nitorin'ny mpampiasa azy tany amin'ny mpitandro filaminana tao i BE Jacqueline Antonia ary voampanga fa nangalatra, fiampangana izay laviny.

Malahelo izahay fianakaviana manoloana izao manjo ny zanakay izao ka mangataka mba halefa mody ny zanakay fa mijaly any an-tany lavitra any.

Efa tapitra tamin'ny volana Jona 2018 ny saziny.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.