Asan-jiolahy: Voasambotra i Tsôlô sy ny namany

  • mardi, 12 juin 2018 13:26
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Raindahiny amin'ny fanendahana, vono olona ary vaky trano, nokarohina efa ela ary nampiaiky ny mponin'i Tsararano Ambony, Tsararano Nosikely, Ambalavola ary Fiofio izy sy ny ekipany.

Saron'ny polisy avy ao amin'ny Boriborintany faha-2 eto Mahajanga ny 9 jona teo izy efa-dahy ireo ny niaraka tamin'ny entana nangalariny sy ny vehivavy iray nampiantrano azy ireo teny amin'ny Cambil Port.

Dosie telo no efa miandry azy ireto sy hanenjehana azy ankoatra ireo olona lasibatry ny fanendahana izay mitaraina isan’andro. Anisan'ny afera goavana nataon'izy ireo ny fanendahana lehilahy iray nitondra moto teny amin'ny bizo FITIM izay saika hangalaran'izy ireo moto ka notsindroniny antsy ilay lehilahy, ny 8 jona lasa teo.

Efa nisazy moa i Tsôlô ary efa mpamerin-keloka. Tsy mbola ampy taona kosa ilay lehilahy iray naman'izy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.