Kaominina renivohitra Mahajanga: Mitohy ny fanamboaran-dalana

  • samedi, 09 juin 2018 21:01
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Ny lalana eo amin'ny Fokontany Marovato Abattoir sy Morafeno indray no hanohizana ny fanamboaran-dalana ataon'ny Kaominina ambonivohitr'i Mahajanga taorian'ny teny Mahabibokely sy Makilok.

Lalana vita amin'ny béton toy ireo efa namboarina teo aloha ihany ireto hatao ireto, ary efa manomboka ny asa satria omaly no nametrahana ny vato fototra teny an-toerana.

Volan'ny Kaominina madiodio no hanamboarana ny lalana avy amin'ny hetra naloan'ny mponin'i Mahajanga.

Fanaporofoina ny fitantanana mangarahara izao fanamboaran-dalana izao satria hatramin'izay tsy hitan'ny vahoaka amin'ny asa mivaingana ny hetra efainy.

Velom-bolo sy velom-panatenana ny mponina eny ifotony satria taratry ny fampandrosoana ny fahavitan'ny lalana.

Na izany aza, mbola lavitr'ezaka ny asa miandry ny mpitantana sy ny vahoaka any amin'ireo Fokontany hafa.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.