Sambava: Ankizivavy tsy ampy taona bevohokan’ny mpiara-miangona aminy

  • vendredi, 08 juin 2018 22:03
  • Sary Gasypatriote Sambava

Mpianatra kilasy “4ème” ity solafaka raha nangolen’ny mpiara-miangona taminy ity. Tsy nahamarika na inona na inona ny mpitaiza aza, fa ny kibon-drazazavavy mibontsina no nanaitra azy, ka nampandrenesina ny ray aman-dreny niteraka ilay zaza avy ambanivohitra lavitra.

Teo no namboraka ny marina tamin’ny reniny ny nanjo azy ilay ankizy ary nanondro fa ny olona manana andraikitra lehibe sy masina ao am-piangonana no rain’ilay zaza ao an-kibony ity.

Nentina namonjy ny tobi-pahasalamana tao amin’ny CHRR Besopaka ilay zazavavy natao fitsapana ary voamarina fa efa ho valo volana ny vohoka.

Androany no niaiky ilay tomponandraikitra ao am-piangonana fa izy no nahabevohoka ilay zazavavy. Nanao taratasy miaraka amin’ny Ray aman-dreniny izy milaza fa ho raisiny an-tanana ny momba azy rehetra raha vao teraka ary notoloran’izy ireo vola 200.000Ar ny Ray aman-drenin’ilay zazavavy androany 08 jona 2018 ho marik’izany.

Ny Fiangonana kosa dia nanambara mazava tsara fa tsy tompon’antoka amin’izay hadalana nataon’ity voatondro ity.

Iray volana ho an’ny ankizy ity volana jona ity ka tokony mba hojeren’ny fanjakana akaiky ny zavatra tahaka izao sao sanatria vao maika hampirongatra ny herisetra sy fanararaotana ara-nofo amin’ireo ankizy tsy manantsiny nefa dia vitavitan'ny fampiraharahana sy fanampena-maso ara-bola fotsiny.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.