Doany Tsararano-Mahajanga: Nifampitora-bato ireo samy taranaka ampanjaka

  • vendredi, 08 juin 2018 21:24
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Nisavoritaka ireo samy taranaka ampanjaka teny amin'ny Doany Miarinarivo Efa-dahy Manankasina eny Tsararano ny tolakandron’ity zoma 8 jona 2018 ity. Raikitra ny fifampitoraham-bato ka raha tsy ny poa-basy tifi-danitra nataon'ireo mpitandro ny filaminana tsy nampiparitaka ny roa tonta.

Mbola tohin'ny korontana ady seza sy fanoloana ny ampanjaka Soamody, izay mpitantana ity toerana fanompoana ity hatrany no anton'ny savorovoro. Hatramin'ny androany, tsy mbola tafiditra ny valamena ny tarik'i Rasamimanana izay voatendry hisolo toerana araka ny fifanarahan'ny samy taranaka ary namoahan'ny OMC fankatoavana.

Raha tsiahivina, ny fotoana saika hametrahana ity ampanjaka vaovao ity tamin'ny toerana no tsy nomen'ny andaniny ny fanalahidin'ny valamena ka nahatonga ny savorovoro. Mitohy hatrany ny fifampihantsiana ka izao niafara tamin'ny tora-bato izao indray ny tolakandro teo.

Afaka iray volana eo ho eo ny fotoana tokony hanatanterahana ny fanompoam-be na ny Fitampoha kanefa izao mbola mikorontana izao ary saika toy izao hatrany isan-taona rehefa manakaiky ny datin'ny Fitampoha.

Ambenana mpitandro ny filaminana eny an-toerana nanomboka ny tolakandro teo mba hisorohana ny mety ho fihitaran'ny toe-draharaha.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.