Oniverisite: Nanapa-kevitra ireo filoha sy tale jeneran’ny IST

  • vendredi, 04 mai 2018 11:05

Fehin-kevitra 9 lehibe no nivoitra nandritra ny fihaonan'ireo mpitantana ny oniversitem-panjakana sy IST na ny CoPRIES (Conférence des Présidents et des Directeurs Généraux des IST ) izay natao teto Mahajanga omaly alakamisy. Indroa isan-taona no mihaona ity rafitra faratampony mpanapa-kevitra eo anivon'ny oniversitem-panjakana sy ny IST ity, izay mihevitra ny tokony hitondrana ny fiaimpiainan'ny oniversite mandritra ny taom-pianarana.

Anio zoma 4 mey 2018 no hanokafana amin'ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2017-2018 raha novinavinaina ho tany amin'ny volana desambra 2017 izany tamin'ny CoPRIES teo aloha, saingy noho ireo olana samihafa teny anivon'ireo Anjerimanontolo, toy ny grevy, dia tsy tratra io tetiandro napetraka io.

Amin'ny volana janoary 2019 kosa no hifarana izany taom-pianarana izany ka ny volana martsa amin'io taona io ihany no hanomboka ny taom-pianarana manaraka.

Taom-pifidianana ihany koa ity taona ity, ho an'ireo oniversite manerana ny nosy, hifidianana ireo izay hitantana indray mandritra ny efatra taona manaraka. Anisan'izany ny filohan'ny oniversite, sojabe, lehiben'ny sampam-pampianarana sy lalam-piofanana ary ny filankevi-pitantanana. Efa voafaritra avokoa araka izany ireo daty hanatanterahana izany fifidianana izany.

Any Antsiranana no hanatanterahana ny Universiades amin'ity taom-pianarana ity, fihaonana aram-panatanjahantena ihaonan'ireo mpianatra sy mpanabe rehetra eny amin'ny oniversitem-panjakana.

Mbola any ihany koa no hanatanterahana ny « Forum » mahakasika ny fikarohana ny angovo azo havaozina ny volana jolay izao.

Hohatsaraina ny rijan-teny momba ny rafi-pampianarana LMD izay efa nanomboka nampiharina teo amin'ireo oniversite sy IST manerana an'i Madagasikara nandritra ny efa-taona izay.

Hisy ny fanambarana lehibe hohataon'ireo mpitantana ny oniversite sy IST avy amin'ny lafy valon'ny nosy mahakasika ny fametrahana ny fandriam-pahalemana eny anivon'ireo Anjerimanontolo na ny « paix sociale » mba ahafahana mampiodina araka ny tokony ho izy ny fampianarana sy tsy hampitarazoka ny fampianarana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.