Vaovao

    • mercredi, 11 avril 2018 23:17

    Fanampoizinana ara-tsakafo: Mpampianatra iray nidoboka am-ponja vonjimaika

    Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny zoma 6 aprily teo ny lehilahy iray mpampianatra ENF ao amin’ny ZAP Farahalana, izay voarohirohy ho nandatsaka asidra tao anaty zava-pisotro nosotroin’ny mpampianatra namany niara-nisotro taminy ny andron’ny 08 Marsa 2018. Samy nanotrona ny fanasana nataon’ireo Fikambanam-behivavy tao an-toerana ireto mpampianatra ireto, ka nony ampitso 09 Marsa tamin’ny 11ora atoandro dia nitaraina ho marary ilay mpampianatra voapoizina, izay mitazona kilasy T3 ao amin’ny EPP Antanandronono ZAP Farahalana. Nandoa sy nivalana ary in-telo safotra raha teny an-dalana hamonjy ny hopitaly SALFA. Niditra hopitaly tao nandritra roa herinandro izy.
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 avril 2018 09:42

    Mampikony: Nanao tatitra tamin’ny vahoaka ireo parlemantera

    Nanapa-kevitra ny hanazava sy hanao tatitra amin’ny vahoaka mikasika ny zava-misy eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fandaniana ny lalam-pifidianana farany teo, mba tsy hahatompon-trano mihono azy ireo ny senatera MAPAR Velontsara Paul Bert, ny Depiote PSD vaofidy tao Analalava Djaosera Irenée ary ny Depiote tsy miankina voafidy teto Mampikony Raphaelien Solofoniaina Emilien Narison. Tamin’ny sabotsy 7 aprily izy ireo no nanao taratasy fampahafantarana tamin’ny Distrika, izay rafi-panjakana eto an-toerana, ny hisian’ity fihaonana amin’ny vahoaka ity, nokasaina hatao tao amin’ny Espace KOFMAD. Namaly ny teo anivon’ny distrika fa tsy voahaja ny 48 ora tokony nametrahana ny fangatahana ka nolavina izany. Tetsy ankilan’izay dia re fa nahazo antso totoafo ihany koa ny tompon’ilay Espace, fa tsy tokony hampiantrano io fihaonana io.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 08 avril 2018 20:16
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Tanora roa vavy maty natelin'ny ranomasina

    Omaly sabotsy tamin’ny telo tolak’andro no nahitana ny vatana mangatsiakan'ireto roa vavy mpitady ravinahitra nandeha nikarama aty Sambava avy any Vakinankaratra Antsirabe ireto. Ny iray dia fantatra amin'ny anarana hoe Maminirina Lucienne, teraka ny 11 Novambra 1988 tao Antsirabe, ary ny faharoa izay mpiara-miasa aminy dia fantatra amin'ny hoe : Fara. Ho alefa any Antsirabe, mandalo ao Antananarivo amin'ny fiaramanidina ny razana.
    Lire la suite ...
    • samedi, 07 avril 2018 08:00
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Andron’ny Zandarimariam-pirenena

    Nitohy ny fankalazana ny 2 avril izay andron'ny Zandarimariam-pirenena. Tsy diso anjara tamin’izany ny Groupement SAVA. Ny andron’ny 05 aprily 2018 dia nanolotra ra maimaimpoana ho an’ny hopitaly CHRR Besopaka izy ireo, ka Zandary miisa efapolo teo no nandray anjara tamin’izany. Betsaka ny filana rà ato amin’ny CHRR Besopaka, sady eo ihany koa ny hoe Zandarimaria miasa ho any vahoaka ka manatanteraka izany izahay izao, hoy ny Lieutenant-Colonel Besoa Sirnot (Commandant du Groupement SAVA).
    Lire la suite ...
    • vendredi, 06 avril 2018 18:51
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Mampiantrano atrikasam-pirenena momba ny fananantany

    Nontontosaina nanomboka omaly alakamisy 05 avrily teto Antsirabe ary haharitra hadimiana, ka tsy hifarana raha tsy ny alahady ho avy izao, ny atrikasam-pirenena iraisan'ireo mpiasan'ny fananantany sy ny fandrefesantany manerana an'i Madagasikara. Efa hatramin'ny taona 2005 no nisian'ny fanavaozana ny fananantany teto Madagasikara ary nitohy izany ary efa eo am-pamaranana amin’izao. (Jereo sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 06 avril 2018 09:58
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Tomboarivo-Antsirabe: Lasan’ny jiolahy ny fitaovana marobe sy vola 9 tapitrisa Ariary

    Notafihin’ny jiolahy ny “villa” iray tao amin’ny fokontany Tomboarivo-Antsirabe ny alarobia 04 avrily 2018 tamin’ny 10 ora alina. Toa efa nandrasan’ireo jiolahy mitam-basy ny fahatongavan’ireo tompontrano, izay mpivady ihany. Ny vola avy hatrany no notadiavin’ireo jiolahy. Nofatoran’izy ireo ilay raim-pianakaviana. Nosavain’ireo avokoa ny tao an-trano ka nahitan’izy ireo ny vola 9 tapitrisa Ariary, noteren’izy ireo hanoro ny vola. Noraofin’izy ireo avokoa ny fitaovana maromaro toy ny vata fahitalavitra, ordinatera fitondra mandeha, finday, sns.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 06 avril 2018 08:50
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Fiara nitondra ny Zanak’i Masina Maria niharan-doza ka nisy maty tsy tra-drano

    Omaly alakamisy 5 aprily tamin’ny telo ora tolak’andro no nitranga ny loza, ka fiara minibus roa no nifandona raha hiditra ny tanànan’Ambohimalaza. Nitondra mpino Katolika avy amin’ny fikambanana Zanak’i Masina Maria (ZMM), handeha any amin’ny vohitra Andohan’Antsahabe ny fiara iray. ZMM iray avy amin’ny Inspection Ambohitrosy no namoy ny ainy, maty tsy tra-drano tamin’ity loza ity, maro ireo naratra.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 05 avril 2018 13:57
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Mahajanga: Tratra ny vola sandoka saika haparitaka ny alahadin’ny Paska

    Andian-jazavavy maromaro no nandeha niditra tao anaty bar iray teny Tsaramandroso nisotrosotro, rehefa nanefa vola dia tsikaritry ny tompon’ny toeram-pisotroana fa vola sandoka no nomen’ izy ireo, iray alina Ariary miisa efatra. Nampandre ny manam-pahefana avy hatrany ny olona lasibatra ary natao ny fikarohana. Tratra tamin’izany ireo mpivady izay nanaparitaka ny vola ny alahadin’ny Paska ary mbola nahatratrarana vola iray alina Ariary maromaro tao an-tokotanin’izy ireo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 avril 2018 16:15

    Lalangina: Asan-dahalo mahery vaika

    Nitrangàna fanafihana mitam-basy ny harivan'omaly talata 03 aprily tao Ivondrona, Kaominina Alakamisy Ambohimaha, Distrikan'i Lalangina. Hafatry ny olona iray nandefa fanairana tamin'ny onjam-peo no nahafantarana izany. Nanomboka tamin'ny 5 ora sy sasany ny fanafihana, tamin'ny 8 ora dia mbola manao antso avo ireo olona ireo. Raha tsiahivina dia nitranga ny ampitson'ny fahafatesan'ny dahalo miisa 6, araky ny voalazan'ny depiote voafidy any an-toerana Rivotiana Richard Jean Bosco, izao fanafihana mitam-basy izao.
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 avril 2018 12:42
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Nanao fanadiovana faobe

    Toy ny fanaony isam-bolana dia nisafidy ny talata 3 aprily ny Fiadidiana ny Tanànan’Antsirabe nanaovana fanadiovana faobe. “Nosafidiana hifanindry amin’ity vita Paka ity izany satria iaraha-mahalala ny fiparitahan’ny loto aorian’ny fety », hoy Atoa Randrianambinina Lucien, lefitry ny Ben’ny Tanànan’Antsirabe. Ny mpiasan’ny Kaominina rehetra moa no nandray anjara amin’ny fanadiovana faobe fanao isam-bolana ity, ka niara-nientana tamin’ireo mpikarakara lanonana izy ireo ho fanafainganana ny fanadiovana.
    Lire la suite ...
Page 9 sur 105