Vaovao

    • mercredi, 10 juillet 2019 19:14
    • Sary nomena

    Amoron’Akona: Misy fanorenana toby famatsian-drano vaovao

    Hamatsy an’ireo faritra tsy ampy rano eny Ambohimangakely ity toby famatsian-drano madio aorina eny Amoron’Akona, manamorona ny lalana « By-Pass » ity, ary vinavinaina ho vita amin’ny faran’ny volana aogositra 2019 ny asa rehetra. Tonga amin’ny fetra fahafahana mamatsy rano ny Jirama, izay niteraka olana ara-pamatsiana amina faritra maromaro eto amin’ny tananan’Antananarivo. Nampihatra tetikasa fanamboarana fotodrafitrasa ho an’ny fahamehana, hanampiana amin’ny famatsian-drano, ny governemanta, ka io no heverina hamahana ny olana ao anatin’ny fotoana fohy. Nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana teny an-toerana, androany maraina, ny Sekretera Jeneralin’ny governemanta, Razanadrainiarison Rondro Lucette ; asa izay tanterahina eo ambany fiahian’ny ministera misahana ny rano, ary iarahana miasa amin’ny orinasa Jirama. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 09 juillet 2019 21:46
    • Sary nindramina

    Angoaka Sud – Analalava: Tazomina am-ponja vonjimaika ny Ben’ny tanàna

    Voarohirohy amina raharaha vono olona niniana natao, fampijaliana miharo fanerena olona hanome vola ramatoa ZAFINTSOAVINA Séverine, Ben’ny tanànan’ny Kaominina Angoaka Sud, Distrikan’Analalava, Faritra Sofia ity. Tazomina am-ponja vonjimaika nanomboka ny sabotsy 6 jolay teo izy. Ny loharanom-baovao sasany milaza fa fampiharana ny dina besaboha no anton’ireo zavatra iampangana ny Ben’ny tanànan’Angoaka Sud ireo ; ny loharanom-baovao hafa indray manipika mazava fa tsy mbola nahazo fankatoavana tamin’ny Fitsarana io dina besaboha io, ka tsy tokony ampiharina. Atolotra ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana izay olon-dratsy na nanao fandikan-dalàna, satria tany tan-dalàna i Madagasikara. Mandeha ankehitriny ny tsindry ny tsy maintsy hamoahana an’io Ben’ny tanàna io ao am-ponja.
    Lire la suite ...
    • mardi, 09 juillet 2019 12:10
    • Sary nomena

    Filaminana an-dranomasina: Sady tsy ampy ny fampitaovana no tsy misy ny fandrindran’asa

    Nisy fivoriana mahakasika ny filaminana an-dranomasina natao teny amin’ny Lapan’I Mahazoarivo, omaly, notarihin’ny Praiminisitra. Niaiky ny fanjakana fa tsy ampy ny fandrindran’asa amin’ny fitandroana ny filaminana an-dranomasina. Tsy ampy ihany koa ny fampitaovana amin’ny fanaraha-maso sy fiarovana ny fari-dranomasin’i Madagasikara amin’ireo ambana samihafa, toy ny fifindra-monina an-tsokosoko, ny fanondranana zava-mahadomelina, ny fitrandrahana an-tsokosoko ny harena anaty ranomasina, ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena ary ny fahaverezan’ny solika an-dranomasina.
    Lire la suite ...
    • mardi, 09 juillet 2019 10:45
    • Sary nomena

    Fandriampahalemana: Najoro ny foibe fanaraha-maso ireo vondrom-pisafoana

    Nitsidika ny foibe fanaraha-maso an’ireo vondrom-pisafoana ho amin’ny fandriampahalemana avy amin’ny Tafika Malagasy, teny amin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly. Nampahatsiahiviny ny maha-zava-dehibe ny fanambarana ny antontan-kevitra sy ny fiaraha-miasa eo anivon’ny vondron-kery rehetra, eny hatramin’ireo andrim-panjakana toy ny fiadidian’ny Repoblika sy ny primatiora, ary ireo ministera. Fitaovana vaovao ahafahana manara-maso ara-potoana an’ireo mpitandro ny filaminana mielipatrana, ary ahafahana mahita avy hatrany koa ireo izay mila vonjy sy handraisana andraikitra haingana no nanaovana fanandramana nandritra ny fitsidihana, ary nilaza ny Praiminisitra fa azo trandrahana amin’ny sehetra hafa hanatsaràna ny fiainam-bahoaka izao fomba fiasa napetraka izao. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 juillet 2019 10:04
    • Sary: DGSR

    Fitsarana fiarakodia: Tambazotra roa, mpanao hosoka sarona

    Nandritry ny hetsika fidinana tampoka nataon’ny teo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia, niarahana niasa tamin’ny Foibe manao fikarohana fandikan-dalàna ao amin’ny Toby Ratsimandrava ny 02 hatramin’ny 05 jolay, dia tambazotra 2 mpanao hosoka amin’ny fanaovana antotan-taratasy momba ny « visite technique » no sarona. Olona miisa 08 ireo voasambotra, ka ny 05 tamin’ireo dia nanao taratasy hosoka, izay tokony alaina eny amin’ireny Ivon-ketra ireny. Ny 03 kosa dia manamboatra ary manome taratasy na « visite technique » hosoka ivelan’ny Ivon-toerana fitsaràna fiarakodia. Tratra nandritra ny fisavana ny tranon’ireto olon-dratsy ireto ny antotan-taratasy maromaro hosoka, fitomboka sy ireo fitaovana informatika maromaro toy ny “imprimante” sy “ordinateur”. Atao fanadihadiana izy ireo ary hatolotra ny Fampanoavana aorian’izay. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 05 juillet 2019 19:51
    • Sary nindramina

    « Festival des baleines »: Ao Sainte-Marie ny fotoana manomboka amin’ny 11 jolay 2019

    Hotanterahina aty Sainte-Marie ny 11 hatramin’ny 14 jolay 2019 ny « Festival des baleines ». Andiany faha-4 ny amin’ity taona ity. Rehefa volana jolay toy izao dia mamonjy ny ranomasina mafana ny « baleine » na trozona na zagnaharibe, miteraka sy mitaiza ny zanany. Mifanojo amin’izay indrindra ny isian’ny « Festival des baleines ». Any amin’ny faramparan’ny volana septambra any indray ireo « baleine » ireo no miverina mamonjy faritra mangatsiaka any amin’ny tendrontany atsimo na « Antarctique ».  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 juillet 2019 15:42
    • Sary Polisim-pirenena

    Vono olona teo Tanjombato: Mpitandro ny filaminana ny 02 tamin’ireo jiolahy

    Karana, mpandraharaha, no lasibatra tamin’ity fanafihana mitam-piadiana niafara tamina vono olona nitranga teo Tanjombato – Antananarivo ity ny 31 janoary 2019. Mpiasan’ilay karana no mpanome vaovao an’ireo olon-dratsy, nilaza fa nitondra vola be ilay karana ary efa lasa nivoaka ny toeram-piasany. Anjaran’ireto jiolahy no nanatanteraka ny sisa ary nitifitra sy naka ny volan’ilay karana tetsy Tanjombato. Nandray an-tanana ny raharaha ny Polisy ao amin’ny sakelika BC3. Nosamborina avy hatrany io mpiasa io ary notadiavina ireo jiolahy nanao ny asa ratsy. Ny 30 jona 2019 no tratra tao an-tranony ny jiolahy iray, ary ity farany indray no nanoro ny namany hafa, miisa efatra, izay mpitandro ny filaminana ny roa amin’izy ireo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 04 juillet 2019 15:14

    Fandraharahana ny fonja: Hankalazaina amn’ny 18 jolay 2019 ny faha-60 taonany

    Vavaka iraisam-pinoana tao amin’ny EKAR Faravohitra, tamin’ny 2 aprily 2019 no nisantarana ity fankalazana faha-60 taonan’ny Fandraharahana ny fonja ity.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 01 juillet 2019 16:02
    • Loharanom-baovao: Jirama

    Miandrarivo Ambanidia – Antananarivo: Tra-tehaka ny mpangalatra ranon’ny Jirama

    Saron’ny sampana mpanao «ratissage» ao anatin’ny foibem-pitondrana misahana ny fiarovana ny fidiram-bolan’ny rano na ny DPRO eo anivon’ny orinasa JIRAMA, io maraina io ny halatra rano eny amin’ny fokontany Miandrarivo Ambanidia, Boriborintany faharoa Antananarivo Renivohitra. Niaiky ny halatra nataony ilay tokantrano, ary mbola nilaza ilay renim-pianakaviana, fa efa ho roa taona izao no nanaovany io fisintonan-drano tsy miankina amin’ny «compteur» io. Tato anatin’ny valo volana kosa, hoy izy no nivarotany izany rano halatra izany amin’ny mponina manodidina, ka 50 Ariary ny iray «jericane» mavo, ary adiny dimy isan’andro, eo anelanelan’ny amin’ny 5ora sy sasany ka hatramin’ny 8 ora maraina, sy amin’ny 5 ora sy sasany hariva ka hatramin’ny 8 ora alina no misokatra ny fivarotana rano eo am-bavahady.
    Lire la suite ...
    • lundi, 01 juillet 2019 11:37

    Antaimby - Sambava: Zaza 02 taona notsimponina teny amoron-dalana

    Taitra ny mpiantsena teto Antaimby, omaly tolakandro, raha nahita zaza vavikely tokony ho roa taona mitsirara matory amin ny tany. Tsy tapitapitr’izay dia vory ny olona nijery, ary tao anatin’izany no nisy nahafantatra ny anaran’ny Ray aman-drenin’io zaza nisy nanary io. Noho ny fahitana fa toa zaza marary ity mitsirara ity, dia nentin’ireo olona tsara sitrapo teny amin’ny hopitalibe Besopaka ilay zaza, saingy tsy nahitana soritr’aretina izy hoy ny mpitsabo ka nasaina niverina. Nampahafantarina ny zava-misy ny Polisy tao amin’ny Commissariat de Police Sambava Centre, efa nisy nahafantatra rahateo ny adiresin’ny ray aman’drenin’ilay zaza.
    Lire la suite ...
Page 8 sur 143