Vaovao

    • vendredi, 10 mai 2019 18:13
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: 10 000 Ariary no namahana ny « menottes » tamin’i Meguy

    Meguy dia avy any ambanivohitra mpiasa lavanila ao Marofotra, Kaominina Anjijaomby izay nitomany raha nijoro vavolombelona tamin’ny nanjo azy teny amin'ny sakana ataon’ny mpitandro filaminana. ''Tonga teo Ambolimadinika dia nosakanan’ny Polisy ny tenako ary nanontaniana ny taratasin’ny moto. Mbola « assurance » no misy fa tsy mbola tonga ny taratasin'ny moto. Raha izay dia tsy maintsy manao rakitra eto aminay. 2 000Ar no nataoko rakitra dia tsy noraisin'izy ireo. Voatery niverin-dalana aho ka niaraka tamin'izany dia nifanojo tamin'ny lehiben'ny Faritra SAVA teo aloha izay ampanaovana ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana ho solombavambahoaka ka nilaza ity farany ity fa afaka manohy ny dianao ho any Sambava ihany ianao fa avelao aho hiresaka amin'ireo Polisy. Vao nahavita teo amin'ny 5km teo ho eo aho dia voasakan’ny Polisy hafa indray teo Ambarihomiambana. Nanontany ny taratatasin’ny moto ihany koa ireo sady nametaka « menottes » tamin’ny tanako, izay vaky ra. Nanolotra 10 000Ar vao afaka nandeha. Mangataka ny fanamorana ny fikarakarana taratasin’ny moto izahay fa tsy hoe : izahay no malaina», hoy i Meguy nitantara ny nanjo azy.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 10 mai 2019 16:15
    • Sary: CENI

    Fifidianana solombavambahoaka: Miofana ireo delegen'ny kandida

    Tanterahina omaly sy androany etsy amin'ny Carlton Anosy ny fanofanana mpampiofana ireo solontenan'ny antoko sy ny kandida ato amin'ny faritanin'Antananarivo, hiatrehana ny fifidianana Solombavambahoaka izay hatao amin’ny alatsinainy 27 mey 2019. Voalohany no nisy izany fanofanana ny delegen'ny kandida izany mikasika ny zo ananan'izy ireo mandritra ny androm-pifidianana. Ho an'ireo any amin'ny faritany 5 hafa, ankoatra an'Antananarivo, dia misy ihany koa ny fanofanana toy ity, izany dia iarahan'ny CENI miasa amin'ny EISA. (Jereo sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 10 mai 2019 14:45
    • Sary nomena

    Mananjary: Nahazo ny tsodranon-drazana Anthelme Ramparany zanak'ambanivolo

    Raha nanomboka ny fanokafana ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny alalan'ny lamesa tao amin’ny Katedraly i Anthelme Ramparany, kandida laharana faha-7 amin’ny bileta tokana ato amin’ny Distrikan’i Mananjary, dia naka ny tsodranon-drazana amin'ny Ampanjaka taorian'izay. "Tsara andro anao hoy ny Ampanjaka. Misy tantara mifamatotra ny Foko Antambahoaka sy ny Antevalagnady ( Antemoro) avy ao Namorona" hoy ny Ampanjaka Iaba-Zafilahy. Taorian'izay dia nitety ireo fokontany manodidina ity zanak'ambanivolo ity ary nanolotra maillot sy baolina ho an'ireo tanora. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 09 mai 2019 16:28

    KMF/CNOE: Miantso ny rehetra hanaja lalàna

    Manentana ireo tompon’andraikitra tsy hisalasala handray ny andraikitra tandrify azy ny KMF/CNOE -Fanabeazana Olompirenena manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna sy fihoaram-pefy amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana solombavambahaoka izao, indrindra mikasika ny fametahana ireo peta-drindrina eny rehetra eny. Manainga ireo kandidà sy ireo mpiara-dia aminy ny KMF/CNOE mba hanàja ny lalàna mikasika ny fametahana ireo peta-drindrina. Eo koa ny fanajàna ny lalàna mikasika ireo hevitra voizina manditra ny fampielezan-kevitra, mba tsy hivoy fifampihantsiana na fifanaratsiana amin’ireo kandidà mpifaninana hafa. Izany, hoy ny KMF/CNOE-Fanabeazana Olompirenena, dia ho fitsinjovana ny filaminana sy ny fitoniana mandritra ny fampielezan-kevitra.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 09 mai 2019 10:39
    • Sary: CENI

    CENI: Nampahafantatra ny tetikasa « lisi-pifidianana biometrika »

    Nitondra famelabelarana mikasika izany tetikasa izany tamin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana ny orinasa VERIDOS-Identity Solution, omaly, nandritra ny sehatra ifampidinihana niarahan’izy ireo tamin’ny CENI. Ny volana novambra 2018 no nanomboka nisy ny fifampidinihina anatiny niarahan’ny tomponandraikitra sy teknisianina eto amin’ny CENI sy ity orinasa manana traikefa iraisam-pirenena amin’ny fikirakirana ara-biometrika ity, mikasika izay fahafahana manatanteraka ny tetikasa lisi-pifidianana biometrika izay. Mbola maro ireo pitsopitsony ilàna fandalinana momba ny fanatanterahana ity tetikasa ity, mba hifanaraka sy hirindra amin’izay lalàna mifehy ny zotram-pifidianana ny asa atao rehetra amin’izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 mai 2019 21:51
    • Sary nomena

    Mahabo: "Novonoina ny zanako roalahy, izao fofoina koa ny aiko", hoy Razafimahefa

    Mandry andriran'antsy, miafina sy miovaova toerana atoriana isan'andro i Razafimahefa. Maty novonoina ankitsirano ny zanany roalahy tamin'ny taona 2016. Nametraka fitoriana ry Razafimahefa hanenjehana ireo izay nahavanona izao loza izao. Voarohirohy amin'io vono olona io ny solombavambahoakan'i Mahabo teo aloha sy ny zanany lahy ary lehilahy iray hafa, izay samy tazomina am-ponja vonjimaika ao Morondava hatramin'ny 25 aprily 2019 teo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 mai 2019 21:27
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Andranomanelatra: Nesorina ilay Sefo Fokontany rehefa tsy nanatrika fizarana "vary mora"

    Tao amin'ny biraon'ny Fokontany ny toromarika voaray teny ifotony fa hivarotana ny vary mora anjaran'Andranomanelatra ny alarobia 17 aprily 2019. Nisy namindra teny amin'ny biraon'ny delege indray izany, ary nosaromana politika ka nametrahana banderaolin'ny Elgeco Plus, izay kandida lohalisitry ny vovonana IRD "Isika rehetra miaraka @ Andry Rajoelina" amin'ny fifidianana solombavambahoaka ny tompony. Rehefa izay dia tsy nanatrika io fizarana vary io ilay Sefo Fokontany. Nampangaina ihany koa fa manohana kandida hafa fa tsy ny arotsaky ny IRD. Nilatsaka ny 6 mey 2019 ny didy manala azy amin'ny toerana ary dia tanterahina amin'ny alatsinainy 13 mey ho avy izao ny famindram-pahefana amin'ny solony izay efa voatendry.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 08 mai 2019 16:30
    • Sary nomena

    Feno sy Bodo: Nifandray ny tadi-donkanga tamin'ireo mponina nifampiresaka taminy

    Vao maraina dia nitety isan-trano teto amin'ny Boriborintany faha III i RALAMBOMANANA Fenoherintsoa, na i Feno, sy RAZAFINDRAZAKA Bodoharisoa Faliherinantenaina na i Bodo mpihira, kandida ho solombavambahoaka eto amin'ny Boriborintany faha III, mitondra ny laharana 01 amin'ny lisitra natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Nizara, nanazava ireo vina entin'izy ireo rehefa lany Solombavambahoaka. Nihaino ihany koa ireo hetahetan'ny mponiny, ireo sosokevitra, ary ireo fanakihanana. Anisan'ny maro tamin'izany ny fandriampahalemana, ny tsy fanana asa, ny resaka sosialy, ny fanadiovana ny tanàna, ny jiro, ny lalan-kely, ny tsena, ny resaka fitohanan'ny fiarakodia, ny olana eo amin'ny jiro sy rano, ny fidangan'ny vidim-piainana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 07 mai 2019 20:26
    • Sary nomena

    Rastany sy David: Andro faharoa amin'ny fampielezan-kevitra eto amin'ny Boriborintany faha II

    Manohy ny fitetezana ireo fokontany eto amin'ny Boriborintany faha II ny kandida mpiray lisitra narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara - K25, dia Randrianarisoa Stanislas na Rastany sy Tahinjanahary David, ity farany izay zanak’Imady tokana sahy hiatrika fifidianana eto Antananarivo Renivohitra. Anisan'ny nanome tsodrano ireto kandida ireto ny Raiamandreny sy mpikambana ao amin’ny IMIANTA (Imady MIray eto ANTAnanarivo). Voatsidika tamin'izao andro faharoa izao ireo mponina ao amin'ny fokontany Andohamandry, Manakambahiny, Ambohimiandra, Ambohitsoa, Androndra ary Saropody. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 07 mai 2019 10:45
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Dahalo mitsapatsapa ny fahaizamanaon’ny mpitandro filaminana

    Ny alatsinainy 06 mey 2019 no voatondro ho fanomboan’ny hetsika hiadiana amin'ny tsy fandriampahalemana ato amin'ny faritra SAVA, izay nambara tamin'ny fomba ofisialy natrehin’ny lehiben’ny OMC-REG sy ny avy ao amin'ny Faritra ka hanaparitahana Zandary 200 mahery. Ny sabotsy 04 mey misasakalina teo dia nisy ny fanafihana mitam-basy naharitra adiny iray teto an-drenivohitr’i Sambava tao amin'ny Fokontany Besopaka. Tokantrano miisa roa mpiraitampo no lasibatra tamin'izany ka ny an'ny zandriolona no voatafika voalohany, avy eo ireo jiolahy nifindra tao amin'ilay zokiny, izay mpikirakira lavanila. Nisy ny fifanjevoana tao amin’ity farany. Nanapoaka basy ny dahalo, iny no nanaitra ny manodidina. Nandositra ireo jiolahy rehefa tsapan’izy ireo fa nifoha ny olona.
    Lire la suite ...
Page 7 sur 134