Vaovao

    • lundi, 07 mai 2018 15:52
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Mahajanga: Mihamafy ny tolona tarihin'ireo depiote ho an'ny fanovana

    Mihamafy ary niroso tamin'ny famoahana mpiasa tany amin'ireo orinasa sy ny sampandraharaham-paritra isan-karazany izany ny maraina teo. Ny orinasa Jirama no nanombohan'ireo mpitolona izany, taorian'ny ampamoaka nataon'ireo mpitantana ny sendika nasionaly sy ny rezionaly tamin'ny sabotsy teo nanoloana ny Lapan'ny tanàna nandritra ny famoriam-bahoaka nataon'ireo solombavambahoaka ho an'ny fanovana. Orinasan-tserasera maromaro manohana ny fitondrana ankehitriny no voalaza fa tsy nahavoaloa vidin-jiro mandritra ny taona maromaro. Niverina nody avokoa ireo olona saika hanefa vidin-jiro sy manan-draharaha ao amin'ity orinasa ity. Nanamafy ireo sendika nitarika ny tolona fa miato avokoa ny asa rehetra manomboka androany.
    Lire la suite ...
    • samedi, 05 mai 2018 10:25

    Tanjombato: Tovovavy maty an-drano, nitsoraka avy eny ambony tetezana

    Navelany teo izy roalahy, dia iny ilay tovovavy no nitsoraka avy eny ambony tetezana namono tena. Niezaka nikaroka ny zanadrano, fa niala maina. Tonga ny “pompier” avy ao Tsaralalana-Antananarivo, naharitra folo minitra teo ny fikarohana tao anaty rano vao hita ilay tovovavy, saingy efa vatana mangatsiaka. Tanora telo, roa lahy sy ity tovovavy ity no hitan’ny olona niaraka nandeha teo ambony tetezana, toy ny mpandalo rehetra, tamin’ny telo ora sy fahatelony tolakandro. Mpisakaiza ny roa tamin’ireo.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 04 mai 2018 11:05

    Oniverisite: Nanapa-kevitra ireo filoha sy tale jeneran’ny IST

    Fehin-kevitra 9 lehibe no nivoitra nandritra ny fihaonan'ireo mpitantana ny oniversitem-panjakana sy IST na ny CoPRIES (Conférence des Présidents et des Directeurs Généraux des IST ) izay natao teto Mahajanga omaly alakamisy. Indroa isan-taona no mihaona ity rafitra faratampony mpanapa-kevitra eo anivon'ny oniversitem-panjakana sy ny IST ity, izay mihevitra ny tokony hitondrana ny fiaimpiainan'ny oniversite mandritra ny taom-pianarana. Anio zoma 4 mey 2018 no hanokafana amin'ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2017-2018 raha novinavinaina ho tany amin'ny volana desambra 2017 izany tamin'ny CoPRIES teo aloha, saingy noho ireo olana samihafa teny anivon'ireo Anjerimanontolo, toy ny grevy, dia tsy tratra io tetiandro napetraka io. Amin'ny volana janoary 2019 kosa no hifarana izany taom-pianarana izany ka ny volana martsa amin'io taona io ihany no hanomboka ny taom-pianarana manaraka.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 mai 2018 19:45
    • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

    Fianarantsoa: Fankalazana ny 3 mey

    Nisafidy ny antsoina hoe: "Journalisme d'investigation" ny fikambanan'ny mpanao gazety sy mpiserasera eto Fianarantsoa (AJCF), mba ho fanamarihana ity andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ity. Mpandahatra avy eto an-toerana sy avy any an-drenivohitra no nitondra ny fomba fijeriny tao anaty famelabelaran-kevitra arahana fanontaniana teo amin'ny Zomatel Anjoma ity tolakandro ity. Eo ny filoha mitarika ny AJCF, Andry Rasamy sy i Fah Andriamanarivo, izay mpanao gazety tonian-dahatsoratra eo amin'ny MaTV. Miahy ny fotoana teto ny talem-paritry ny serasera sy ny fifandraisana amin'ny andrim-panjakana, nanatrika ireo mpisehatra sy olontsotra ary mpianatra eny amin'ny oniversite.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 03 mai 2018 16:56
    • Sary Gasypatriote Mahajanga

    Mahajanga: Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety

    Niavaka ny fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety teto Mahajanga. Diabe namakivaky ny tanàna niaraka tamin'ny fanamiana fotsy niainga teo anoloan'ny Lapan'ny Tanàna no nanombohana ny hetsika izay namantana avy hatrany teny amin'ny “bord de la mer”. Nisy avy eo ny fanadiovana io toeram-pitsangatsanganana mampalaza an'i Mahajanga io niarahan'ireo rehetra tonga nanamarika ny 3 mey. Ankoatra ny mpanao gazety am-perinasa sy ny mpanao gazety zokiolona, ny manampahefana, notarihin'ny prefen'i Mahajanga sy ny lehiben'ny faritra Boeny ary ny Ben'ny Tanànan'i Mahajanga ary ireo lehiben'ny sampandraharaham-paritra aty an-toerana. Maro ireo olom-pirenena tonga nanotrona ny hetsika, olom-pirenena tonga saina amin'ny maha zava-dehibe ny haino aman-jery sy ny asa fanaovan-gazety.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 02 mai 2018 17:52
    • Sary Gasypatriote Toamasina

    Toamasina: Roso amin’ny fitokonana lavareny ny mpiasan’ny ladoany

    Nihidy avokoa ny birao rehetra androany, saingy ny resaka fitaovan’ny mpitandro ny filaminana, ny entana mora simba, ny fitaovam-pitsaboana sy ny fanafody, ary ireo biby velona, kosa dia miasa mamoaka azy ireny ny mpiasa araka ny peta-drindrina eo amn’ny biraon’ny ladoany Ampasimazava. Nitokona teo anoloan’ny vavahadin’ny seranan-tsambo ny mpiasan’ny ladoany tamin’ny maraina nanakana ny entana rehetra mivoaka ny vavahadin’ny seranana izay ny ladoany no tompomarika amin’ny fanaraha-maso izany.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 02 mai 2018 17:35

    Mahajamba-Mahajanga II: Olona miisa 7 matin’ny tazo mahery

    Mandripaka ny tazo mahery aty amin’ ny Kaominina Mahajamba, Distrikan’i Mahajanga II, hatramin’ ny herinandro lasa teo. Olona 7 no efa namoy ny ainy hatramin’ny androany ka zaza avokoa ny 5 amin’ireo ary olon-dehibe ny 2. Tazo mahery ilay aretina raha ny fanazavan’ny mpitsabo izay efa aty an-toerana mirotsaka an-tsehatra. Fiakaran’ny maripana no fiantombohany ary mitovy amin’ny fisehon’ny tazo mahazatra ny fisehony saingy mahafaty haingana dia haingana raha tsy mahazo fanafody ara-potoana.
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 avril 2018 16:56

    Sambava: Vadina Zandary voaroba tao anaty taxi

    Omaly alahady 29 avrily, tamin’ny valo ora alina, no nitrangan'ity asan-jiolahy ity, raha iny handeha hamonjy fodiana iny ity andriambavilanitra ity. Tovolahy tanora miisa telo, izay nitsikomba tamin'ilay mpamily no nahavanon-doza teo Antaimby. Nanaovan’izy ireo sinto-mahery ny kitapo teny ambozonan'ilay ramatoa ka lasa ny vola 260.000Ar sy finday dia nitsoaka nirifatra tamin'ilay taxi Bajaj izy telo lahy. Nitondra fitarainana teny anivon'ny mpitandro ny filaminana ilay vehivavy. Mandeha ny fikarohana.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 avril 2018 08:48
    • Sary nomena

    Tolagnaro: Mihiakiaka “Miala Rajao ! Miala Rajao !” ny olona

    Izay no nanamarika ny tatitry nataon’ny depiote Hatrefindrazana Jerry tao amin'ny efitrano malalaky ny Lapan'ny Tanànan’i Tolagnaro ny sabotsy 28 aprily 2018, niresahany ny fomba nandaniana ny lalam-pifidianana, nandritra ny fivoriana tsy ara-potoanan'ireo solombavambahoaka farany teo. Tonga maro ny olona liana nihaino ny zava-misy sy ny toe-draharaham-pirenena. Nohazavainy ny sangodim-panina politika nataon'ny praiministra hatramin'izay sy ny momba ireo depiote HVM. Tonga tamin’ity fihaonana ity ny loholona teo aloha Soja Jean André na Kaleta.    
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 avril 2018 21:05
    • Sary nomena

    Kianjan’ny Cheminot Fianarantsoa: Nisy nitaky ny hamoahana an’i Claudine A&C

    Nisy hetsika tsy miandany, nokarakarain’ny Firaisankinan’ny Faritanin’i Fianarantsoa notanterahina teo amin’ny Kianjan’ny Gara androany tolakandro. Vory maro ny olona, mpanakanto maro rahateo koa no nasaina nanafana ny fotoana. Niverimberina tamin’ity fihaonana ity ny hoe: ampy izay ny fanaovana fitaovana politika ny zanak’i Fianarantsoa, ny tokony hanatanterahana ny fampanantenana atao, fa nisy koa ny nitaky ny hamoahana an’ilay mpandraharaha ara-toekarena Claudine Razaimamonjy.
    Lire la suite ...
Page 6 sur 105