Vaovao

    • samedi, 27 juillet 2019 20:49
    • Sary Njaka

    HCJ: Nahazo trano vaovao

    Nampafantarina omaly zoma 26 jolay ny fisian’ny trano vaovao izay misy ny HCJ na ny Haute Cour de Justice, izay eny Anosy ambadiky ny MOTEL. Nisy araka izany ny fampahafantarana ho an’ny daholobe ny anjara asan’izany HCJ izany, izay azo tsidihina. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 26 juillet 2019 15:05
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    ACMIL Antsirabe: Namoaka ny andiany « Général de Brigade Andrianaivo Raymond »

    Manamboninahitra niisa 55, ka vehivavy ny 6 no navoaka tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny « Fandresena 2019 » androany tao amin’ny ACMIL Antsirabe. Andiany mivantana faha-40 izy ireo, nitondra ny anaran’i « Général de Brigade Andrianaivo Raymond ». Notsofin-drano androany nandritra ity lanonana ara-miaramila ity ihany koa ny andiany mivantana faha 42 sy ny famindrana ny sabatra tamin’ny andiany faha 41. Toy izany koa ny andiany iraisam-piadiana faha-21 « Andraina », izay ny Liétina-kolonely Andriamizana Marinjaka no mpiahy azy ireo. Nanome voninahitra ny lanonana ara-miaramila ity ny filoham-pirenena sady filoha faratampon’ny foloalindahy, Andry Rajoelina. Notokanany ny fanavaozana ny efitrano filanonana « Farimbona » sy ny « Salle d’honneur » ary ny trano famakiam-boky ao amin’ity Sekolin’ny manam-boninahitra ity. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 juillet 2019 17:09
    • Sary nindramina

    Kitra - Barea CHAN: Anatin’ny fifantohana amin’ny fihaonana amin’ny Os Mambas Mozambikanina

    Hiatrika lalao iraisam-pirenena etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny Barea CHAN amin’ny alahady 28 jolay izao, hifandona amin’ny Os Mambas Mozambikanina. Tonga nanolotra taratasim-bola roa, mitentina 10.000.000 Ariary ho azy ireo tetsy Mahamasina androany i Hery Rasoamaromaka, niaraka tamina filohan’ny ligim-paritry ny baolina kitra vitsivitsy. Kandida amin’ny fifidianana filohan’ny Federasiona malagasy amin’ny baolina kitra i Hery Rasoamaromaka. Nanamboatra ireo kianja filalaovam-baolina sentetika maro, mpandraharaha, ary mpanao « rallye » ihany koa. Etsy amin’ny hotely Ibis Ankorondrano no mipetraka ny Barea CHAN manomboka androany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 juillet 2019 16:33

    Antsirabe: Trano sy tany 300Ara voafindra tompo 10 andro monja

    Tao anatin'ny 10 andro monja dia fa vita famindrana amina anaran'olona hafa ny tany mirefy 300Ara misy trano rihana telo. Nisy nitory ho nibodo tanin'olona ny tompony. Eto Antsirabe renivohitr’i Vakinankaratra ity tranga ity. Raha ny fanazavan’ireo lasibatra dia nikasa hindram-bola tamina banky ity ramatoa iray teratany malagasy, manambady vazaha. Nisy olona milaza fa mahalala ny talen'ilay banky ka hampihaona azy roa, ny 2 jolay 2019. Nisy ny fihaonana ary efa nentin’ny tompon’ny tany nikasa hindram-bola ny boky titran'ny taniny saika hataony antoka, saingy nilaza izy fa tsy nety taminy ny fepetran'ny banky ka nody izy ireo. Rehefa nody anefa dia gaga ilay ramatoa fa tsy hitany ilay titra ny tany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 juillet 2019 10:29
    • Sary: ZP

    Fort-Duchesne – Antananarivo: 115 lahy naseho ambany faneva

    Tontosa ny alarobia 24 jolay 2019 teny amin’ny Toby Kolonely Mohajy Andriamahasolo, Fort-Duchesne (FIGN) ny lanonana fanehoana ambany faneva ireo miaramila ao amin’ny andiany 2019/1 miisa 115, izay nofanina teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Izany fiofanana izany dia natao tao amin’ny Holafy fahafito (EP7) Betongolo nandritra ny dimy volana. 241 no isan’izy ireo nisoratra taorian’ny antso. 133 no tafajanona rehefa vita ny fizaham-pahasalamana, ary tamin’ny farany, izy 115 lahy no voatazona noho ny antony samihafa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 juillet 2019 10:11
    • Tahirin-tsary

    Aéroport Ambodisatrana - Sambava: Zaza nitondra lasantsy tamin’ny jerikanina saika nofaohin’ny fiaramanidina

    Zazalahy 11 taona avy nividy lasantsy tamin’ny jerikanina teo amin'ny toby mpaninjara solika Jovena « Voanio » no niampita ny seranam-piaramanidina Ambodisatrana nandritra ny fotoana hiaingan’ny fiaramanidina ho any Antananarivo, ny talata 23 jolay 2019 tokony tamin'ny efatra ora tolakandro. Ankizilahy roa mitovitovy taona izy ireo no nanao hitsin-dalana ho any Tsararivotra, ka niampita namakivaky ny lalana fandehanan’ny fiaramanidina. Ny iray tafita fa ny faharoa nitondra lasantsy tamin'ny jerikanina no tavela farany nefa ny fiaramanidina efa nikisaka hisidina. Nifamonjen'ny mpiasan’ny ADEMA ny nanala ilay zaza nisorohana ny loza.    
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 juillet 2019 20:52

    Fitaterana fako – Antananarivo Renivohitra: Misedra tsy fahampiana ara-pitaovana ny SAMVA

    Mihamivangongo ny fako amin’ny toerana sasantsasany eto Antananarivo Renivohitra. Olana ara-pitaovana no antony, raha ny fanazavan’ny orinasa SAMVA, mpanala fako, ao amin’ny pejiny facebook. Raha tokony ho 16 isan'andro ny isan'ny fiara mandraoka fako dia 11 no miasa tato anatin’ny roa andro izay. Vokany dia maromaro ireo toerana tsy afaka nandraofana fako eto an-drenivohitra. Efa mijery rindran-damina handraofana ny fako ny orinasa eo ampiandrasana ireo fitaovana nafarana. Manentana ny mponina hatrany ny SAMVA hampiditra ny fako anaty daba sy hanaja ny ora fanariana fako amin'ny 05 ora hariva hatramin'ny 08 ora alina.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 juillet 2019 19:08
    • Sary nomena

    Kitra – Mpilalaon’ny Barea: Mikarakara « tournoi » fisaorana sy fankasitrahana i Mamy Gervais

    Nikarakara « tournoi » fisaorana sy fankasitrahana ny vahoakan’Ambohijanaka i Mamy Gervais, vodilaharana ao amin’ny Barea an’i Madagasikara, niady ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra, andiany faha-32 natao tany Egypta ny 21 jona ka hatramin’ny 19 jolay 2019. Notanterahina ny tontolo andron’ny alahady 21 jolay teo ny fifaninanana. 16 ireo klioba nandray anjara, ka ny tampany maraina no natao lalao fifanintsanana, ary ny tolok'andro ny lalao famaranana. Nanao ny famaranana ny FC Manalazy Ankadivola sy ny Zandry Kely Imerimanjaka. Ny ekipan’Ankadivola no nivoaka nandresy tamin’ny isa 1 noho 0, ka nahazo ny omby sy ondry natolotr’i Mamy Gervais. Mbola hitohy eny amin'ny Kaominina Anosizato Andrefana ity « tournoi » fisaorana sy fankasitrahana ity. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 24 juillet 2019 11:45
    • Sary Gasypatriote Toamasina

    Brickaville: « Mécanicien » tratra nitondra Taxi « Peugeot 306 » halatra

    Lehilahy iray « mécanicien » ao Moramanga tra-tehaky ny Zandary nangalatra fiara Taxi, Peugeot 306 teto Toamasina ny alin’ny sabotsy nifoha ny alahady teo. Nanakana Taxi izy ny sabotsy maraina ka 5 000 Ariary no nifanarahan’izy ireo. Rehefa hitany fa nety taminy ilay fiara dia mbola nalainy ihany ilay Taxi nony alina hofaina hatao « Spécial » ka 60 000 Ariary ny sarandalana nifanarahan’izy ireo. Niara-nisotro aloha izy ireo nialoha ny hiaingana ka ranomboakazo no nosotroin'ilay mpamily Taxi. Mody nirahan’ilay « mécanicien » nividy zavatra ilay mpamily raha efa niha alina ny andro ka teo no nanararaotany nanisy « Valium », izay fanafody fampatoriana, tao anatin'ilay « Jus » nosotroin’ilay mpamily.
    Lire la suite ...
    • mardi, 23 juillet 2019 19:39

    Boanamary-Mahajanga II: Honko iray tapitrisa fototra no indray hovolena

    Hamboly honko iray tapitrisa fototra ao Boanamary-Mahajanga II ny fianakaviamben’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, amin’ny 29 jolay ho avy izao. Tafiditra amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny ala honko ity hetsika ity. Ny 26 jolay no fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny ala honko, saingy nahemotra ny fankalazana tamin’ity. Ny antony dia satria tsy ampy ny haavon’ny ranomasina manondraka ny tany hambolena izay miantoka ny fahaveloman'ireo zanakazo ho volena.  
    Lire la suite ...
Page 5 sur 143