Vaovao

    • dimanche, 04 août 2019 17:56
    • Sary Njaka

    MAMA: Mitaky ny tsy anakorontanana ny rafitra misy

    Namory mpanao gazety ny teo anivon'ny orin'asa fiantohana MAMA omaly sabotrsy 03 jolay, mangataka izy ireo mba tsy ho korontanina ny rafitra efa misy, sy ny fitantanana efa mandeha. Marihina moa fa efa nisy ny fivoriana natao tany Nosibe hell ville tamin'ny taona lasa teo, ary nisy tamin'izany ny fiantsoana ireo mpikambana nahafeno ny fepetra amin'ny maha mpikambana teo anivon'ny MAMA. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 02 août 2019 14:55
    • Sary nindramina

    Fanabeazam-pirenena: Hitohy ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana

    Hitohy ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana araka ny nambaran’ny Minisitra Volahaingo Marie Thérèse. Samy voakasik’izany na ny Fanabeazam-pirenena na ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa. Hisy ny fametrahana vaomiera nasionaly hoy izy handinika ny fametrahana ny lamina mahakasika izany. « Recrutement » lavitry ny kolikoly no tanjona raha ny fanazavany hatrany, ka ho hentitra ny Fanjakana amin’ny fanaraha-maso. (Jereo Sary Tohiny)    
    Lire la suite ...
    • vendredi, 02 août 2019 09:13
    • Sary: ZP

    Toamasina: Voasambotra ireo mpanafika ny fiaran’ny orinasa Ambatovy

    Efa-dahy no ahiahiana fa nahavanon-doza nanafika ny fiaran’ny orinasa Ambatovy tany Tanandava-Toamasina ny faran'ny volana jolay, ary nosamborina. Nosakanan’izy ireo tamin’ny vato sy vatan-kazo ny fiara 4x4 iray nitondra mpiasa 5. Rehefa nijanona ilay fiara dia notsenain'ireo olon-dratsy tamin'ny toraka vato sy pilotra. Vokany, naratra mafy ilay mpamily, tsy nisy fananana voaroba na aina nafoy ankoatrizay.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 01 août 2019 21:55

    Voatifitry ny jiolahy: Nodimandry androany ny Ben’ny tanànan’i Belalona

    Naratra mafy voatifitry ny jiolahy, nandritra ny fanafihana mitam-basy nitranga ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 29 jolay 2019, tokony ho tamin’ny 2ora maraina i Zaratody, Ben’ny tanànan’i Belalona, Distrikan’i Befandriana Avaratra. Sinoa mpandraharaha lavanila no nokendren’ireo jiolahy tamin’io. Mpanofa tranon’i Zaratody ity Sinoa ity. Tifitra basy no nitsenan’ireo jiolahy azy raha nivoaka hamonjy ilay Sinoa voatafika izy. Niantefa teo amin’ny kibon’i Zaratody ny bala. Naratra nofirain’ireo jiolahy tamin’ny antsy ny mpiambina iray. Niditra an-tsehatra ihany koa ny Zandary notarihin’ny Komandin’ny tobi-paritra Befandriana Avaratra, vao nahazo fampandrenesana. Nifamaliana ny tifitra. Maty ny iray tamin’ireo jiolahy, tafatsoaka ireo namany. Naratra voatifitra ilay Komandin’ny Brigady. Nalaina maika tamin’ny angidimby io alatsinainy 29 jolay io ihany, nakarina taty Antananarivo ary navantana tao amin’ny Hopitaly miaramila Soavinandriana ny Ben’ny tanànan’i Belalona sy ilay Komandin’ny tobi-paritry ny Zandarimaria Befandriana Avaratra noho ny hamafin’ny ratra nahazo azy ireo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 31 juillet 2019 21:45
    • Sary nindramina

    Mahitsy RN4: Fiara nitondra akoho, may kila

    Teny an-dalana hiazo an’Antananarivo renivohitra, hitondra akoho hamidy no tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena faha-4, omaly, ka nirehitra. May kila niaraka tamin’ilay fiara ny akoho nentiny. Avotra kosa ireo olona tao anatiny. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 14:24

    RN5: Manomboka ny fikojakojana ny lalana

    Ny ampahan-dalana Toamasina – Foulpointe manomboka eo amin'ny Pk12 hatrany amin'ny Pk 30 no voakasik’ity fanamboarana ity. Fikojakojana fanao isan-taona no hatao, ary ny Ministeran'ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy no misahana azy. Fanamboarana ireo lavaka, fanaovana lalana « béton » ireo no tena hifantohan'ny fanamboarana ho atao izay nanomboka ny alatsinainy 29 jolay 2019 ny asa, ary haharitra telo volana eo ny faharetan'ny asa. Teti-bolan'ny ministera no hamatsiana izany.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 08:24
    • Sary Njaka

    Fitsarana: Fianianana Mpitsara vaovao

    Notontosaina ny zoma 26 jolay ny fianianana mpitsara vaovao teo anivon’ny Fitsarana, ka isan’izany Ramatoa RANDRIMIADANARIVO Simone izay nanolo ilay mpitsara efa nisotro ronono. Tonga nanotrona izany lanonana izany ny Minisitry ny Fitsarana Jacques Randrianasolo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 08:14
    • Sary nindramina

    Ikalamavony: Raim-pianakaviana iray novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

    Nandrika ny rà tsy lavitry ny EPP Tanambao Nord amin’ny lalana miazo an’i Malainkoafara, Fokontany Matsiatra – Ikalamavony ny sabotsy 27 jolay 2019. Raim-pianakaviana iray sahabo 42 taona, antsoina hoe Dariera, no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, rehefa izy handeha hody. Feno dian-javamaranitra ny lohany. Maty nisy namono ny zanaka lahin’ity Dariera ity tamin’ny 10 jolay 2019. Tovolahy tao an-tanana ihany no nahavanon-doza, tamin’ny tsindron’antsy noho ny resaka toaka.
    Lire la suite ...
    • mardi, 30 juillet 2019 07:03
    • Sary: ZP

    Befandriana Nord: Zandary iray naratra voatifitry ny dahalo, dahalo iray maty

    Notafihin’ny jiolahy mitam-basy ny Sinoa lahy iray, mpandraharaha eto Befandriana Avaratra ny alatsinainy 29 jolay 2019 tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Lasan’ny jiolahy ny 60 tapitrisa Ariary. Tsy naratra ilay Sinoa fa ny tompon-trano nikasa ny hanavotra ilay Sinoa no voatifitra teo amin’ny kibony, ny mpiambina kosa dia naratran'ny tsatok'antsy. Niditra an-tsehatra ny Zandary rehefa nahazo fampandrenesana. Nisy ny fifandonana. Dahalo iray maty voatifitra, tafatsoaka ny roa. Naratra voatifitra tamin’ny tongony ny Komandin’ny tobi-paritra Zandarimaria Befandriana Avaratra. Ary ny iray tamin'ireo olon-dratsy kosa dia lavo teo noho eo noho ny tifitra nataon'ny Zandary niaraka tamin'ny Komandin'ny brigady. Naterin’ny Zandary tao amin’ny hopitaly advantista Ankazoambo ireo naratra. Nakarina ao Antananarivo nentina tamin’ny angidim-by, ary tsaboina ao amin’ny hopitaly miaramila Soavinandriana ilay Zandary maratra.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 29 juillet 2019 10:08
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Sambava: Tsy ho ekena ny fivarotana solika ankoatra ny eny amin'ny « station »

    Nidina ifotony ny avy amin'ny sampandraharaham-paritry ny angovo, ny rano ary ny akoran'afo izay natomboka teto Sambava ny zoma 26 jolay teo iny, ka nanaovan’izy ireo fampahatsiahivana fa tsy azo atao ny fivarotan-tsolika isaky ny elakelatrano, ary mahavoasazy, hoy ny Talem-paritra RATOVONIAINA Thierry Emmanuel Lasa ataon'ny olona fitadiavam-bola ity varomaizina amin'ny solika ity, ary hita fa misy tambazotra matanjaka ato amin'ny Faritra SAVA. Milaza ny mpivarotra solika manao varomaizina fa mahazo tombony 15 000Ar isaky ny jerikanina 20 litatra izy ireo. Ankoatra ny 4200 Ar vidin’ny lasantsy iray litatra eny amin'ny « station » dia mbola mandoa 2 000Ar hatramin'ny 3 000Ar eny amin'ny « pompiste » izy ireo.
    Lire la suite ...
Page 4 sur 143