Vaovao

    • dimanche, 24 février 2019 14:24
    • Sary nomena

    Ambatoboeny: Namboly hazo ny mpino Silamo

    Nisafidy ny CSB sy hopitaly (Centre Hospitalier du District) ny mpino Silamo eto Ambatoboeny ho toerana nanatanterahana fambolen-kazo ny sabotsy 23 febroary 2019, ho fandraisan'anjara amin'ny fiarovana ny tontolo iainana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 22 février 2019 07:41

    Marokoro-Maevatanàna: Avotra teo ampelan-tanan’ireo mpaka an-keriny ilay tovovavy

    Alina no avotra ilay tovovavy iray, 18 taona, taorian’ny hazalambo nataon’ny mpitandro ny filaminana ireo mpaka an-keriny mampihorohoro iny faritra Betsiboka iny. Ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 14 febroary no nitranga ny fanafihana tao Marokoro, Kaominina farany atsinanana amin’ny Distrikan’i Maevatanàna, mifanila amin’ny Distrika Ambatondrazaka.
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 février 2019 09:38
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Aretina kitrotro: Feno marary hatreny an-davarangan’ny hopitaly eto Sambava

    « Tsy zakanay intsony ny olana izay misy eto Sambava ka mangataka fanohanana aminareo farmasia izahay manoloana ny ady amin’ny kitrotro », hoy ny solotenam-panjakana nandritra ny fivoriana niarahan’izy ireo ny alakamisy teo, dia omaly zoma 15 fevroary dia tonga namaly ny antso avy hatrany ireo mpivaro-panafody izay notarihin’ny Dr Ranasy Thierry (Pharmacie JANGA) nitondra izay tsirambin’ny tanana avy amin’ireo farmasia rehetra teto Sambava.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 février 2019 22:28
    • Sary Gasypatriote Ambatondrazaka

    Mangarivotra-Ambatondrazaka: Akoson'aratra niteraka haintrano

    Androany tamin'ny dimy ora tolakandro no niseho ny loza, izay tombanana ho nateraky ny akoson'aratra (court-circuit) satria mbola tafavoaka tsy nipoaka ny tavoahangin'ny entona fandrehitra. Trano fonenan'ny Talen'ny orinasa SILAC no nirehitra. Entana vitsivitsy tao ambany rihana no avotra fa ny tany ambóny kosa kila hotohoton'ny afo avokoa. Mbola tany ampiasana ny olon-dehibe fa ireo zaza sy ny mpanampy no tao an-trano tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza. Nampihetsi-po ny firaisankinan'ny tanora tao Mangarivotra niaraka tamin'ny mpikambana tao amin'ny Kongresin'ny tetezamita teo aloha, Besetroka, namoaka ireo ankizy tao an-trano.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 février 2019 09:41

    Fitsarana: Nidoboka eny Antanimora ny SP n'i Anthelme Ramparany

    Niakatra teo anivon'ny fitsarana manokana miady amin'ny trafika andramena ny raharaha Singapour nanenjehana an'i Anthelme Ramparany, maromaro ihany koa ireo voarohirohy tao anatiny. Raha tsiahivina dia andramena efa nahondrana antsokosoko tamin'ny faramparan'ny tetezamita tany Chine izy ity, 60 mahery ny kaontenera tamin'izany. Nandalo tao Singapour hifindra sambo ireo andramena ireo no nogejain'i fanjakana tany Singapour fa tsy nazava ny taratasy. Tonga ny fanjakana Rajaonarimampianina ny taona 2014, dia niezaka namaha ny olana amerenana ireo andramena ireo aty Madagasikara, na amarotra azy any amin'ny tsena iraisam-pirenena mba hidiran'ny vola aty an-toerana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 février 2019 21:51
    • Tahirin-tsary

    Razaimamonjy Claudine: Nalefa ao amin’ny fonjan’Antanimora

    Naverina am-ponja, nafindra fonja. Ny loharanom-baovao sasany milaza fa efa nivoaka izy dia izao naverina am-ponja izao, ny loharanom-baovao hafa indray milaza fa avy any Manjakandriana no nafindra ao amin’ny fonjan’Antanimora ilay vehivavy mpandraharaha mpanefoefo Razaimamonjy Claudine, hanamora ny fanohizana ny fanadihadiana azy sy ho fiarovana ny tsy hiparitahan’ny tsiambaratelo. Nanomboka ny harivan’ny talata 12 febroary i Razaimamonjy Claudine no efa ao Antanimora. An-dranomaso no nahatongavany teny.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 février 2019 09:07
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Andravitokana Amboangibe: Tafakatra 23 ireo zaza matin'ny kitrotro

    Mikiakiaka ireo mponina lavitra andriana izay any ambanivohitra, toy ny ao amin'ny Kaominina Amboangibe, Distrika Sambava, noho ny firongatry ny aretina kitrotro, fa maro ireo zaza latsaky ny sivy taona maty noho izany valanaretina izany. Nanao be midina tany an-toerana ny ekipan'ny fahasalamam-bahoaka rehefa nahazo baiko sy toromarika avy amin'ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka mba hijery haingana ary handray an-tanana ireo zaza manodidina ny 3300 izay tandindonin-doza.
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 février 2019 22:23
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Zandary Vakinankaratra: Tsiaro an'i Jeneraly Richard Ratsimandrava

    Lanonana tsotra fa nanana ny lanjany no nentin'ny Vondrontobim-pileovan'ny Zandarimaria Vakinankaratra nahatsiarovana ny faha-44 taona namonoan'ny sasany ny Jeneraly Ratsimandrava Richard, androany alatsinainy 11 febroary 2019. Ny Komandin'ny Vondrotobim-pileovana, ny Kolonely Rasambomanana Yvon Patrick no nitarika ny lanonana tamin'izany, notronin'ireo Zandary nanodidina. Fantatra nandritra ny fanazavany fa tsy fahatsiarovana fe fahatsiarovana fotsiny ny fankalazana fa famohazana ihany koa ny hambo-pon'ireo Zandary am-perinasa, satria dia niara-notsarovana tamin'ity hetsika ity ihany koa ireo Zandary maty teo am-panaovana ny asany, izay nisy 5 no niharan'izay fahalavoana am-perinasa izay tato Vakinankaratra.
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 février 2019 10:20

    Lisi-pifidianana: 0.23% no taham-piakaran’ny voasoratra anarana vonjimaika manerana ny nosy

    Hikatona vonjimaika amin’ny 15 febroary izao ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana, tafiditra amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (RALE), nanomboka tamin’ny 1 desambra 2018. Araka ny tati-baovaon’ny CENI dia ambany dia ambany ny taham-pahavitrihan’ny olom-pirenena misoratra anarana ao amin’ny lisi-pifidianana amin’izao fotoana izao, herinandro tsy higadonan’ny fe-potoana farany ahazoana misoratra anarana eny amin’ny fokontany. 0.23% no taham-piakaran’ny voasoratra anarana vonjimaika manerana ny nosy, raha toa ka 1.25% ny an’Antananarivo Renivohitra. Manoloana izany dia manentana ny olompirenena hatrany ny CENI hanatona ny Fokontany mialoha ny 15 febroary 2019, hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 09 février 2019 10:20

    Moramanga: Vehivavy bevohoka maty niaraka tamin'ny zaza tao am-bohoka noho ny tandrevak'ilay rasazy araky ny voalazan'ny fianakaviana

    Mbola tany an-tranony, andro sabotsy ilay renim-pianakaviana no nitaraina maharary kaikerin-jaza. Nantsoina ilay mampivelona, ary tonga nijery azy tokoa, avy eo nilaza fa fomban-javatra io fa miandriandry fa tsy mbola ho teraka. Tsy niato ary mihamatetika ny fanaintainana ka nentina namonjy hopitaly andro alina ilay bevohoka, nefa nahazo ny aza manaitra fa mbola matory ny fianakaviana.Niera raha afaka miantso dokotera hafa ny fianakaviana nefa nahazo fandraràna. Reraka noho fiaretana ny hetsi-jaza ilay reny bevohoka ka niafara tamin'ny famoizany aina ny Alahady teo ; tsy azo ihany koa ilay zaza tao am-bohoka. Zanany faharoa io nafoy io. Nalevina ny alarobia teo ny razana. Nampiantso mpanao gazety nampahalala ny zava-misy sy ny alahelo ny fianakaviana. Nametraka fitoriana izy ireo.  
    Lire la suite ...
Page 3 sur 122