Vaovao

  • Fonjan'ny Maroantsetra
    Fonjan'ny Maroantsetra
    • vendredi, 04 mars 2016 08:06
    • Sary Sobika

    Maroantsetra : Nilamin-dratsy

    Nilamindamina anio maraina ny tany Maroantsetra taorian'ny fitraotran'ny vahoaka vokatry ny fisamborana ka nanagadrana ilay mpiompy lazaina fa nanao fitsaram-bahoaka ka nahafaty ilay mpangalatr'omby tany an-toerana. Nidiran'ny vahoaka an-keriny tokoa manko tao amin'ny lapan'ny Fitsarana, ary noraisin'izy ireo tamin'ny vozona ankanjony ny mpitsara mpampanoa lalàna, nodoran'izy ireo ny antonta-taratasim-pitsarana maro.
    Lire la suite ...
  • Tetezana Amboanjobe, manoloana ny vavahadin’ny hotely Resto Gasy
    Tetezana Amboanjobe, manoloana ny vavahadin’ny hotely Resto Gasy
    • jeudi, 03 mars 2016 18:15
    • Sary nindramina FB

    Lalànan’ny fifamoivoizana : Ny Fanjakana aza tsy manaja

    Nitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-7 iny androany. Ny antony dia nihitsoka teo ambany tetezana Amboanjobe, manoloana ny vavahadin’ny hotely Resto Gasy ny fiarabe nitondra milina mpihary herinaratry ny Jirama, nalaina avy eny Antanandrano hafindra any Behenjy. Avo loatra mihoatra ny fetra voatondro, ny milina nobaben’ilay fiarabe ka nidona tamin’ny tetezana. Misoratra mivandravandra eo amin’ny fototr’ilay tetezana fa 4,50m no fetra haavo afaka mandalo ao ambany tetezana. Tsy voahaja izany matoa nihitsoka ilay fiarabe. Tokony efa fantatry ny Fanjakana mialoha anefa izany, vao nohetsehina ilay milina. Voaporofo teto indray fa tsy misy governemanta miasa izany eto. Aiza ilay hoe : “Gouverner c’est prévoir” ? Fiarovan-tseza no manahirana ny sasany, hany ka ny vahoaka no mizaka ny vokany. Fatiantoka iray lavaka ho an’ireo namonjy fotoana, satria dia nitandavana ampolony kilaometatra ny fitohanan’ny fiarakodia avy any atsimo androany. Tsy lazaina intsony ny nahazo ireo marary nila famindran-toerana maika taty an-drenivohitra androany ?
    Lire la suite ...
  • Ben’ny tanàna, Paul Razanakolona
    Ben’ny tanàna, Paul Razanakolona
    • jeudi, 03 mars 2016 18:12
    • Sary Sobika Antsirabe

    Paka 2016 : Vonona ny tanànan’Antsirabe

    Vonona amin’ny fiatrehana ny fetin’ny Paka ny tananan’ Antsirabe, hoy ny Ben’ny tanàna, Paul Razanakolona. Efa voafandriky ny orinasa Star sy ny Comadis ny manoloana ny gara aloha hatreto, izay hisian’ny hetsika ara-javakanto isan-karazany, tafiditra amin’ny fisantarana ny THB Tour izany. Hisy ihany koa ny hetsika ara-pilazantsara eny amin’ny kianjan’ny kolontsaina ankoatry ny hetsika maro amina toerana samihafa ao Antsirabe. Entin’ny Kaominina manontolo hanasoavana ny tananan’Antsirabe ny vola azo amin’ity Paka 2016 ity raha ny fampanantenan’ny mpitantana ny tanàna. Isan’ny hanaovana ezaka manokana moa ny lafiny fanadiovana sy fidiovana amin’ity Paka 2016 ity raha ny nambaran’i Paul Razanakolona ihany.
    Lire la suite ...
  • Fambolen-kazo Ampitatafika
    Fambolen-kazo Ampitatafika
    • dimanche, 28 février 2016 16:36
    • Sary Augustin Andriamananoro

    Tontolo iainana : Namboly hazo ny MAPAR

    Nifamotoana teny Ambohipamonjy, Fokontany Faliarivo omaly sabotsy 27 febroary ireo mpikambana MAPAR Ampitatafika – Atsimondrano nanatanteraka fambolen-kazo, fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sady adidy amin’ny tanindrazana rahateo.
    Lire la suite ...
    • samedi, 27 février 2016 22:07

    Fanampoizinana : Zanaka Lehiben’ny Fokontany saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

    Voasary notsindromina asidra nampitondraina olona homena ramatoa iray no niandohan’ny olana. Tovovavy, 15 taona eo, no mpaniraka ary zanaka lehiben'ny Fokontany, tovolahy kosa no niangaviany hitondra ny voasary, noho ity tovolahy ity mpiray tanàna amin'ilay olona homena azy.
    Lire la suite ...
    • samedi, 27 février 2016 21:51
    • Sary Sobika Ambatondrazaka

    Kolikoly : Namaky bantsilana ireo Mpisolovava ao Ambatondrazaka

    Manjaka ny kolikoly any Alaotra hoy ireo mpisolovava ao Ambatondrazaka tamin’ny teny nahitsy. Mitondra faisana amin’izany kolikoly izany ireo olona mila raharaha eny anivon’ny Fitsarana sy ny sampandraharaham-panjakana samihafa any an-toerana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 février 2016 21:35
    • Sary Sobika Farafangana

    Tsy fandriampahalemana : Bala aman-jatony saika hamidy tratra tany Lavaraty-Midongy Atsimo

    Misy bala aman-jatony tratra tany amin’ny Kaominina Soakibany sy tany Lavaraty Kaominina Ivondro Distrikan'i Midongy Atsimo ny alin’ny alahady 21 febroary teo.
    Lire la suite ...
  • Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara Rasolofondraibe Alain
    Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara Rasolofondraibe Alain
    • jeudi, 25 février 2016 20:16
    • Sary Sobika Sambava

    Banky Foiben’i Madagasikara : Mitsidika any SAVA ny Governora Rasolofondraibe

    Manao fitsidiana arak’asa any amin’ny faritra SAVA ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara Rasolofondraibe Alain. Tao Sambava izy androany maraina nihaona tamin’ireo sehatr’asan’ny Banky samihafa ary ireo mpandraharaha sy ireo avy tao amin’ny Faritra sy ny Prefektora ary ny Mpitandro filaminana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 février 2016 18:05
    • Sary Sobika

    RN 32 Antsohihy-Mandritsara : 20 taona tsy nasiam-panamboarana

    Mila hitoka-monina ny vahoakan’i Mandritsara amin’ny haratsin’ny lalam-pirenena faha-32 mampitohy ny renivohitry ny Faritra Sofia, dia Antsohihy amin’i Befandriana Avaratra mipaka any Mandritsara. 20 taona tsy nasian’ny Fanjakana fanamboarana ny lalana mirefy 160 km, mitsinjara ho 81 km manelanelana an’Antsohihy amin’i Befandriana Avaratra miampy 79 km eo anelanelan’i Befandriana Avaratra sy Mandritsara.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 25 février 2016 17:27
    • Photo d'Archives Net

    Halatr’omby hafakely : Ny zanany tao an-kibony no nalaina

    Nitrangana halatr’omby tao amin’ny Fokontany Bemololo-Andranomanelatra, Distrikan’Antsirabe II, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Nampiahiahy ny tranga satria tsy mbola fahitan’ny olona ny zava-niseho fa toa misy ambadika maizina ilay izy.
    Lire la suite ...
Page 144 sur 163