Vaovao

    • jeudi, 12 mai 2016 22:20
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Misy trano miorina hatrany anaty lalam-pirenena

    Mitodika any amin'ny Benin'ny tanana vaovao ny mason'ny vahoaka eto Sambava noho ny fahitana ireo trano vaovao izay aorina ao anaty lalam-pirenena izay mitady hahatapaka ny lalana, satria lasan'ny mpanam-bola ka izao nanaovana trano vato mafy orina izao. Rehefa nanontaniana ny Ben'ny Tanàna dia nilaza izy fa tsy izy no nanome ny «permis de construire» an’ireo trano ireo. Fa iza ary ? Mbola ankamantatra ! Fa na izany dia nanome roa volana izy mba hanesorana ireny trano niorina tao anaty lalana ireny.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 06 mai 2016 11:08
    • Photo d'Archives Sobika

    Farafangana : Hetsiky ny mpanao gazety

    Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny Falalahan'ny asa fanaovan-gazety ny 3 mey ny fikambanan'ny mpanao gazety ALJM any amin'ny faritra Atsimo Atsinanana. Famelabelarana narahina adihevitra tao amin'ny Austral Hotel ny tolakandro, izay nampitaina mivantana tamin'ny onjampeo rehetra tao Farafangana. Novoboasana tamin'izany ny falalahan'ny asa fanaovan-gazety, ny fahazoana vaovao izay zo fototra, ny niandohan'ny gazety Malagasy ary ny tantaran' ny fikambanana ALJM.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 04 mai 2016 10:20
    • Sary Sobika Sambava

    Sambava : Hampiantrano atrikasa nasionaly momba ny lavanila

    Mpizaika manodidina ny 250 no andrasana handray anjarana amin’ny atrikasam-pirenena momba ny lavanila izay ato ao Sambava ny 04 sy 05 mey 2016.Araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Vovonana nasionaly momba ny lavanila, Njaka Landri, dia andrasana amin’ity atrikasa ity ny hahazo ireo tolo-kevitra sy fitarainana avy amin’ny tantsaha, ary koa sosokevitra hoentina hanatsarana ity lalampihariana ity.
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 mai 2016 13:08
    • Photo Fournie

    NY FAMINDRAM-PO NO SITRAKO, FA TSY NY SORONA !

    Fanambaran'ny Fivondronam-be ny Eveka Katolika eto Madagasikara NY FAMINDRAM-PO NO SITRAKO, FA TSY NY SORONA !
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 mai 2016 08:41
    • Photo d'Archives Sobika

    Sambava : Tsy hay tohaina ny halatra lavanila

    Sefo Fokontany lefitra nahatratrarana lavanila iray baoritra ny sabotsy maraina teo tao amin'ny Fokontany Ambodiampana Androranga-Sambava.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 01 mai 2016 21:59
    • Sary Sobika Antsohihy

    Antsohihy: Zaza kambana tsy fantan-dreniny ny rainy

    Tovovavy iray niteraka kambana nipetraka amoron-dalana noho ny arerahina. Niasa tamin'ny toerana fandraisam-bahiny izy, ka tany no naha bevoka kambana azy, nefa tsy fantany izay rain-janany.
    Lire la suite ...
  • Sakaraha
    Sakaraha
    • samedi, 30 avril 2016 14:46
    • Sary Sobika Sakaraha

    Sakaraha: Efa 3 herin'andro no tsy misy jiro sy rano ara-dàlana

    Ao antananan'ny safira, anisan'ny manakarena indrindra eto Madagasikara, nefa dia farany mahantra ny mponina satria dia na rano madio aza tsy misy, ny jiro omen'ny Jirama dia zara raha mandeha satria dia tapaka efa ho adiny 10 isan'andro, indrindra tato anatin'ny telo herin'andro izay.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 28 avril 2016 20:58
    • Sary Sobika Farafangana

    Vohimasy-Farafangana : Manohitra ny hametrahana PDS

    Miakatra ny feo any Vohimasy, Kaominina fihavian’ny praiminisitra teo aloha Ravelonarivo Jean any Farafangana taorian’ny nanoloan’ny ministeran'ny Atitany ho Filohan'ny delegasiôna manokana (PDS) ny Ben'ny tanàna lanim-bahoaka tao Vohimasy, Atoa Richard. Avy amin'ny antoko Leader Fanilo ity farany ary voafidy tamin'ny salanisa 41,30% nanoloana ny kandidàn'ny antoko HVM (30,63%) sy ny Arema (28,07%).
    Lire la suite ...
    • jeudi, 28 avril 2016 20:52
    • Sary Sobika Toamasina

    Oniversiten’i Toamasina : Napetraka ny Filoha sy ireo Sojabe

    Lanonana roa sosona no tontosa tao Barikadimy androany alakamisy 28 aprily dia ny nametrahana tamin’ny toerany ny filohan’ny oniversite Dr Velo Jérôme sy ireo Sojaben’ny lalampiofanana samihafa misy ao amin’ny oniversiten’i Toamasina.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 28 avril 2016 00:09
    • Sary Sobika Toamasina

    Toamasina : Tovolahy hanala bac tratra ambodiomby nangalatra akoho

    Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ity tovolahy iray, 19 taona, mpianatra amin’ny taona famaranana amina liseam-panjakana iray ao Toamasina, ka sahy nangalatra akoholahy iray goavana hitany tamin’ny lalana izorany hamonjy sekoly, androany alarobia maraina.
    Lire la suite ...
Page 143 sur 169