Vaovao

    • dimanche, 02 août 2015 21:47
    • Photo Net

    Ilakaka : Nidina an-dalambe ny mponina manohitra ny fandresen'ny HVM

    Miahiahy hosoka sy hala-bato ny vahoaka ao Ilakaka ka nidina an-dalambe sady nilanja sorabaventy, manambara fa ny kandidà tsy miankina no nofidian'ny maro an'isa fa tsy ny HVM araka ny vokatra vonjimaika mivoaka.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 02 août 2015 19:02

    Betania Toliara

    Torana an-dalana avy nifidy, nodimandry io maraina io ilay lahiantitra Namoy ny ainy ny maraina teo ilay raim-pianakaviana 60 taona, torana niakarapoka teny an-dalana, rehefa avy nifidy ny atoandron’ny zoma 31 jolay teo, tao Betania Toliara. Tsy fantatra mazava na vokatry ny aretina androbe nitaiza azy hatry ny ela na antony hafa no nahasafotra azy teny an-dalana, hoy ny finakaviany. Tamin’ny fotoana nahitan’ny manodidina azy taorian’ny fianjerany dia nivoa-drà ny lohany sady nahitana farora-bava fotsy teo amin’ny vavany.
    Lire la suite ...
    • samedi, 01 août 2015 09:19

    Kilaovalo-Ambohibary Sambaina : Trano 35 tafo kilan’ny afo tanteraka

    Trano hazo miisa 35 no ravan’ny afo tanteraka tao Kianjasoa-Kilaovalo Atsimondampa, 18 km miala ao Ambohibary-Sambaina manaraka ny lalam-pirenena faha-43 miazo an’i Faratsiho. Entam-barotra, vola, vokatra ary entana sy kojakoja maro no lasa lavenona ary fianakaviana am-polony no traboina tamin’izany. Tsy fantatra mazava ny mety nipoiran’ny afo na misy milaza aza fa nivoaka avy tao amin’ireo mpanao mofo sy kafe tao afovoan-tsena izay miasa amin’ny alina no mety niavian’izany. Ny afo efa niredareda ka niitatra tamin’ireo trano manodidina no nanaitra ny olona. Ravan’ny afo tanteraka ny trano fonenan’ny fianakaviana maherin’ny folo izay sady nivarotra no nonina tamin’ireo trano ireo ka tsy manan-kialofana noho izany ka any amin’ireo mpiara-monina sy fianakaviana aloha hatreto no mipetraka. Nampanantena ny hijery akaiky ny zava-misy any an-toerana ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza voajanahary taorian’ny tatitra natao tany amin’izy ireo.
    Lire la suite ...
  • Ampanjakan'ny Boeny
    Ampanjakan'ny Boeny
    • mardi, 28 juillet 2015 20:48
    • Photo fournie

    Kolontsaina : Raikitra ny Fanompoam-be ao Boeny

    Nanomboka ny alatsinainy 27 jolay teo ny Fanompoambe 2015 tao amin’ny Doany Miarinarivo ao Tsararano Mahajanga. Nandritry ny fikarakarana ireo “mitahy” na ireo taolambalon’Andriamisara, Andriamandisoarivo, Andriamboeniarivo ary i Andriananiana na Andriandahifotsy izay samy Ampanjaka sy Mpimasy nitondra tao Boeny tao anatin’ny trano atao hoe Zombabe dia tehaka sy poa-basy no re nanenika ny doany atsimo. Ny tanjona amin’ity taona ity dia ny fampitambarana ireo Sakalava sy ireo mpanompo rehetra. Ka na dia nisy aza ny fanambarana tao amin’ny haino aman-jery ny amin’ny fanakanana avy tamin’ireo taranaka Ampanjaka hafa fa tsy tokony ho nisy ny Fanompoambe teto amin’ny doany atsimo, dia tanteraka soa aman-tsara izany.
    Lire la suite ...
  • Depiote Andriamasimanana Auréline mitafa amin'ireo mpiara-dia aminy
    Depiote Andriamasimanana Auréline mitafa amin'ireo mpiara-dia aminy
    • lundi, 27 juillet 2015 14:07
    • Photo: Sobika Ambatondrazaka

    Ambatondrazaka : Misy mandrahona ho faty ireo kandidan’ny Alaotra Miray Hina

    Velon-taraina amin’ny fihetsika asehon’ireo kandida sasany ny fikambanana Alaotra Miray Hina. “Tsy fampielezan-kevitra intsony no atao fa fihantsiana sy fandrahonana ho faty”, hoy ny Solombavam-bahoaka Andriamasimanana Auréline. Lasibatra amin’izany ny kandidan’ny Alaotra Miray Hina any amin’ny Kaominina Andilana Avaratra sy Ambatondrazaka ary ireo any amin’ny Kaominina ambanivohitra. Misy amin’ireo kandida any amin’ny Distrikan’Amparafaravola koa no mahazo fandrahonana famin-dratoerana. Tokony handray ny andraikiny ny CENI-T hoy ny depiote Auréline amin’ireo karazana tsy fanarahan-dalàna ataon’ny kandida sasany ireo. Miezaka mampitony ireo kandidany sy ny mpiara-dia aminy hatrany ny depiote Auréline manoloana ireo tranga rehetra ireo.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 26 juillet 2015 22:13

    Toliara : Saribao 4 000 gony saika haondrana any shina sarona

    Saribao miisa 4000 gony saika haondrana an-tsokotsoko any Shina no tra-tehaky ny zandary tao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara. Tanan-kavanana solombavambahoaka iray voafidy any an-toerana no tompony ary milaza ho nahazo taratasy fahazahoan-dalàna hanondrana saribao mankany ivelany avy amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny ala ny tenany, na dia voararan’ny lalàna aza izany. Noho ny fanondranana saribao an-tsokotsoko dia nidangana ny vidin’ny saribao fandrehitra ao Toliara ary sarotra hita. Efa misy tompon’andraikitra sy mpiasa ao amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny ala arahi-maso amin’ity bizina ity.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 26 juillet 2015 18:43

    Toliara : Zazakely napetra-dreniny tao ambany fiara mpanao propagandy

    Taitra ireto andian-jatovo ka nihoraka nahita zazakely iray sahabo ho iray taona sy tapany eo, nigogogogo nitomany nisy nametraka tao ambany kamiao nitondra mpanao propagandy, ny sabotsy tolakandro, tany Toliara.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 juillet 2015 21:34

    Trangam-piainana : Avy namonjy propagandy dia maty

    Raim-pianakaviana iray 37 taona, efa nisara-bady manan-janaka telo, no matin’ny toaka be loatra nosotroiny androany maraina tao Toliara. Raha ny fanazavan’ny fianakaviany dia mamo tampina ity lehilahy namoy ny ainy ity niditra ny trano, rehefa avy namonjy fampielezan-kevitra. Dia samy natory ny alina. Akory ny hatairana raha naraina ny andro, fa nofohazin’ny havany izy nefa tsy namaly. Nosokafana ny tranony, izy niankohoka sady tsy nisy aina intsony novantanina. Nanamafy ny havany fa tsy namono tena araka ny resaka mandeha noho ny famoizam-po ity lehilahy ity. Voalaza mantsy fa tsy nisakafo tao amin’ny reniny toy ny isan’andro izy, fa avy hatrany dia nandeha natory ity namoy ny ainy.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 juillet 2015 21:27

    Akademia Miaramila : Hamoaka manamboninahitra miisa 77 ka teratany vahiny ny 3

    Hamoaka manamboninahitra miisa 77 indray ny ACMIL na ny Akademia Miaramila ny zoma 24 jolay 2015 ka ny 67 amin’ireo dia ireo mpianatra niditra nivantana andiany faha-36, ka vehivavy ny 6 amin’izy ireo, ary ny 10 kosa dia ireo andiany manokana niofana nandritra ny 9 volana. Hanomboka amin’ny 10 ora ny lanonana ara-miaramila ka ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Hery Rajaonarimampianina no hiahy an’izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 juillet 2015 21:13

    Betania Toliara : Tranona mamanontena nisy nandoro

    Tranona ramatoa iray maty vady ao Betania Toliara no nisy nandoro halina, ka may kila forehitry ny afo lasa lavenona tsy nisy noraisina ny entany rehetra mitentina an-tapitrisany maro. Ny zanany izay mifanila trano aminy ihany no nanaitra azy tamin’ny torimasony, nivoaka raha nandre fofon-tsetroka. Hagagana ny an’ilay ramatoa mbola rendreman’ny torimaso raha vao nivoaka ny tranony nahita filedaledan’ny afo, ka niantso vonjy. Efitra telo tao an-trano misy entana sarobidy no tena levon’ny afo. Efa misy olona ahiahiana nanao ny ankasomparana, hoy ny niharam-boina. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.
    Lire la suite ...
Page 142 sur 144