Vaovao

    • mercredi, 01 juin 2016 23:09
    • Sary fanehoana

    Antalaha: Nahiana ho namono ny saikaizany, ankizivavy 16 taona nidoboka am-ponja

    Tsy nahazo fahafahana vonjy maika ilay tovovavy, taorian’ny fihainoana azy teo anatrehan'ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Antalaha ny talata 28 mey 2016 teo.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 juin 2016 12:45
    • Photo: Sobika

    Voan'ny “méningocèle” : Mila tolotanana i Maria

    Aretina vokatry ny tsy fahatomombanan’ny tsokan-damosina avy any am-bohoka ny “méningocèle” ka tsy mampikatona ny lohamalemy. Io aretina mahavoa an'i Maria kely, mitarika fivontosana ny lohany. Zaza fahafito naterak’i Rasoarimalala Marie Martine izy.
    Lire la suite ...
  • Ambatobe - Kianjan'ny 80 lahy
    Ambatobe - Kianjan'ny 80 lahy
    • mercredi, 01 juin 2016 08:29
    • Sary InfoKmada

    Kianjan'ny 80 lahy, fanoherana ny famarotana

    Nidina nirodorodo teny amin'ny Kianjan'ny 80 lahy ireo mpianatra amin'ny sekoly maromaro eny Ambatobe. Manohitra ny famarotana ny kianja amina karana ireto farany. Maro ny mpianatra no mihazo ny kianja hanao fanatanjahatena sy milalao ary tsy ekin'ny ray aman-dreny ny famarotana ny tany. Manana tantara ihany koa ny kianja satria raha ny filazan'ireo mponina dia ho fiarovana ny tanàna tamin'izany dia nidinan'ny mpanjaka merina sy miaramila 80 isa io kianja io, izay nitondra ny anarany taty aoriana. Ho an'ny mponina, dia tafiditra anaty vakoka ny kianjan'ny 80 lahy ka tsy azo amidy. Manohitra ny famarotana ny harem-pirenena ny mponina ao Ambatobe.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 juin 2016 07:11
    • Sary nindramina

    Risoriso fampidirana mpiasam-panjakana

    Maro ireo miazakazaka mitady vola hidirana ho mpiasam-panjakana.  10 tapitrisa ariary, 50 millions fmg, ny sarany takian'ireo manera amin'izany. Misy Talem-panjakana, Tale Kabinetra-na minisitra maka écolage isam-bolana ankoatran'io vola io rehefa misy poste budgétaire misokatra isan-taona. Manginy fotsiny ny fitakiana firaisana ara-nofo amin'ny mpiasa vehivavy. (Promotion canapé)    40 tapitrisa ariary kosa, (200 millions fmg), no takian'ireo mpanera raha iditra mpiasan'ny ministère des finances, na inspecteur na agent douanier.   2 tapitrisa ariary, 10 millions fmg ho an'ny Zandary. 20 tapitrisa ariary, 100 millions fmg raha ho mpianatra mpitsara.   Ao moa ny tena afa-panadinana sy ezaka ataon'ny tompon'andraikitra sasany hanafoana io risoriso io, fa hatreto dia tsy mbola nisy vokatra hita-maso ka voasazy ireo fanetribem-pirenena ireo.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 mai 2016 12:30
    • sary nomena

    Fanambarana : Fitokanana ny sampan-draharaha ivelany momba ny fanomezan-dalana (visa) ny Biraon’ny konsioly jeneraly ny Frantsa

    Natrehan’ny Rtoa Béatrice ATALLAH Ministry ny Raharaham-bahiny , Rtoa Véronique VOULAND-ANEINI, Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara , sy Atoa Etienne LEANDRE, Konsily jeneraly ny Frantsa eto Antananarivo.
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 mai 2016 10:03
    • photo illustration Net

    Fitaterana an-tanety : Fepetra ho an’ny fiara manao “spécial”

    Hihatra manomboka ny 01 jona ny saran'ny fakana fahazon-dalana manokana ho an'ireo fiara hanao ny “spécial”. Raha iray alina Ariary izany hatramin'izay, ho an'ireo sokajina fiara rehetra, dia notsinjaraina kosa manomboka amin'ireo fiara ahitana toerana 9 no miakatra.
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 mai 2016 08:53
    • Sary Sobika Ambatondrazaka

    Ambatondrazaka: Nanofana kartie mobil ny fitondrana

    Vatandehilahy miisa 469 no nomena fiofanana hiandraikitra ny fandriam-pahalemana eny anivon'ny fokotany ao anatin'ny distrika Ambatondrazaka, Amparafaravola ary Tsaratanàna. Naharitra 15 andro ny fiofanan'izy ireo ka ny alakamisy teo no navoaka tamin'ny fomba ofisialy. Ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena mihitsy no nidina taty Ambatondrazaka nanolotra azy ireo tamin'ny vahoaka.
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 mai 2016 12:12
    • Sary Sobika Ambatondrazaka

    Ambatondrazaka: Variana mifanenjika ny mpomba ny fitondrana

    Miasa mangina ireo mpanara-dia an'i Andry Rajoelina Miezaka manantona vahoaka hatrany ny fikambanana CSANR na ny Club Suporter Andry Nirina Rajoelina aty Ambatondrazaka.
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 mai 2016 11:32
    • Photo d'Archives Sobika

    Malamavato Sambava: Mpimoasy mpanolan-jaza

    Mpimoasy iray tao Malamavato Kaominina ambanivohitra Antindra no nilaza ho mahay fomba mahahafa-panadinana.
    Lire la suite ...
    • samedi, 28 mai 2016 11:07
    • Photo d'Archives Sobika

    Analampotsy Sambava: Voakapan'ny famaky ny lohan'ny Filohan'ny Fokontany teo aloha saika angalatra lavanila

    Ny Filohan’ny Fokontany teo aloha tao Analampotsy Kaominina ambanivohitra Andratamarina, dia voakapan'ny famaky tao anaty alan-davanila ny alarobia 25 mey lasa teo tokony tamin’ny 7 ora alina.
    Lire la suite ...
Page 140 sur 169