Vaovao

    • jeudi, 26 mai 2016 22:42
    • Sary Sobika Mandritsara

    Ambalakirajy Mandritsara: Niverina amin'ny Malagasy ny taniny ary voaroaka ny Sinoa

    Novakian'ny Lehiben'ny Distrika teo anatrehan'ny solotenampokon'olona miaraka amin'ny mpitandro ny filaminana ny taratasy (message) avy any amin'ny ministeran'ny harena ankibon'ny tany MAMPIATO ny asa fikarohana ataon'ireo Sinoa ato anatin'ny distrikan'i Mandritsara.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 mai 2016 22:10
    • Sary Sobika Sambava

    Anjinjaomby Sambava: Ny mpilaza ny marina indray no tadiavina gadraina

    Norahonan’ny Benin’ny Tanàna Kaominina ambanivohitra Anjinjaomby fa hogadraina mandra-pahafaty ity Rai-mpianakaviana iray antsoina hoe Judicael 34 taona, rehefa nandeha nanome vaovao maro-pototra an'ity mpitondra ity.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 mai 2016 22:04
    • Sary Sobika Antsirabe

    Antsirabe: Fakana ankeriny Karana

    Niakatra fampanoavana ary notanana am-ponja vonjimaika ireo jiolahy mpaka ankeriny teratany karana iray teto Antsirabe. In-droa niatoana ny fiakarany fampanoavana dia ny faha 25 mey ny voalohany ho an'ilay voalaza fa tompon'antoka tamin'ny "Operation", ka voalaza fa ny resaka fikasana hitsoaka no nakana am-bavany azy, izay nitazonana azy ho MD avy hatrany izany.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 mai 2016 14:45
    • Sary Sobika Antsirabe

    Fiangonana Loterana Andranomanelatra Antsirabe: Misavorovoro ny mpino

    Raikitra ny savorovoro sy ny fitokonana ho an'ny mpino Loterana ao amin'ny Fitandremana Andranomanelatra Antsirabe ny alahady teo. Tsy nanaiky ny fanovana ny mpitandrina ny mpino sasany raha toa ka nanao amboletra ny mpitondra fileovana hametraka ny mpitandrina vaovao. Nambaran'ireo nanohitra izany fa tsy nisy olana ny mpitandrina no sady nampandroso ny fiangonana ka tsy hitan'izy ireo izay hanesorana azy. Ho an'ny mpitondra fileovana kosa dia fandaminan'ny Sinoda ny famindrana ny mpiasa miasa eo aminy ka tokony hankato izany ny mpitandrina soloina sy ny Krisitianina. Nohidian'ireo mpino moa ny varavaram-piangonana ka teo ivelany ny mpitandrina vaovao no napetraka sy nitarika fotoam-bavaka ny alahady 22 mey teo.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 mai 2016 14:36
    • Sary Sobika Antsirabe

    Kaominina Antsirabe Renivohitra: Nahazo fitaovana avy any dilam-bato

    Nahazo fitaovana maro indray ny Kaominina Antsirabe voalohany vokatry ny firaha-miasa amin'ny fikambanana Tanamasoandro. Ny fikambanana Taramasoandro, izay misahana ny fanohanana ireo ankizy sahirana ara-pivelomana sy ara-panabeazana ireny. Fitaovana fialam-boly ho an'ny kilonga avy any amin'ny kaominina Hagondange-Luxembourg, Frantsa ireto natolotra ireto mba ahafahana manangana toeram-pialamboly maharitra sy manaram-penitra toy ireny any an-dafy ireny ka nambaran'ny ben'ny Tanàna Paul Razanakolona fa ho eo Andranomafana no hametrahana azy ireo aorian'ny fanavaozana ny "Espace Maikita" izay efa eo. Namafisin'ny Ben'ny Tanàna fa noho ny fiaraha-miasan'izy ireo tamin'ny fikambanana, izay efa nisy fony izy Lehiben'ny faritra izao mitohy amin'izy Ben'ny Tanàna izao indray. Ankoatry ny fitaovana ho an'ny Kaominina dia nisy ny lamba ho an'ireo ankizy ahian'ny fikambanana ary fitaovanam-pitsaboana ho an'ny Hopitaly Loterana Malagasy, toy ny fandriana, fanafody sy ireo maro hafa, izay efa naloan'ny fikambanana nanolotra, ny fanomezana ny saran'ny nandefasana azy sy ny haba teny amin'ny seranana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 26 mai 2016 14:26
    • Sary Sobika Antsirabe

    CFAMA Antsirabe: Nanokatra ny masters I sy II amin'ny Machinisme Agricole

    Matotra ny fiaraha-miasa amin'ny CFAMA, na ny « Centre de Formation en Machinisme Agricole », sy ny Oniversitén'Antananarivo. Nosokafana mantsy ankehitriny ny ivontoerana fampianarana ambony an’ity ivontoeram-panofanana ity ho fampianarana ambaratonga ambony ka hamoaka Injeniera amin'izany raha toa ka teknisianina ambony sy « Licence » ihany teo aloha teo. Mpianatra 26 no nisantatra izany, izay noraisina tamin'ireo 38 nahazo ny « Licence en Machinisme Agricole", ny sabotsy 21 mey lasa teo, izay andiany voalohany nivoaka tamin'ny fomba ofisialy. Tokana aty amin'ny faritra Afrika andrefana atsimon'i Saharah sy ny ranomasim-be Indiana ity sampam-piofanana ity raha ny nambaran'Atoa Rakotoson David, Talen'ny CFAMA ka ny Masters I sy II no havoaka amin'ny fiofanana aorian'ny « Licence » ity. Ny Filohan'ny Oniversitén'Antananarivo sy ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, Atoa Rivo Rakotovao moa no nanome voninahitra ity lanonana ity. Nandritra ny lanonana moa no nanaovana ny fifanarahan-piarahamiasa teo amin'ny CFAMA sy ny Oniversitén'Antananarivo amin'ny maha ara-panjakana ny fiofanana ka ny CFAMA no hiantoka ny fotodrafitrasa sy ny fanofanana, izay hiarahana amin'ny ireo Japoney sy Malezianina ary ny Oniversité kosa no hiantoka ny maha ara-panjakana ny fampianarana izay atao. Marihina fa azo isaina amin'ny rantsan-tanana sisa ny mba Injeniera amin'ny Machinisme Agricole eto Madagasikara ka zava-dehibe arak’izany ny fisian’izao ivontoerana fanofanana izao eto Antsirabe.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 25 mai 2016 14:33
    • Tahirintsary Sobika Mandritsara

    Mandritsara : Milamin-dratsy

    Taorian'ny tsy faneken'ny Fokonolona ny hitrandrahan'ireo Sinoa ny harena ankibon'ny tany tao amin'ny Kaominina Ambalakirajy distrikan'ny Mandritsara, ka nangatahan'izy ireo ny fialan'ny lehiben'ny Distrika Mandritsara, dia nivory ny manampahefana rehetra tao antanàna omaly, ka tsy hay nahifika ny vahoaka fa nanome 72 ora ny mpitondra Fanjakana ny analana ireo Sinoa mpitrandraka ireo.
    Lire la suite ...
    • mardi, 24 mai 2016 17:40
    • Sary Sobika Maromandia

    Mikomy ny vahoaka ao Maromandia sy ny ilany avaratra RN6 Distrikan'Analalava

    Tsy zakan'ny mponina intsony ny fanararaotana ataon'ny Chef Cantonnement, eau et fôret, avy any Analalava, miampy ny afitsoky ny Chef garde forêt ao Maromandia. Manabotry sy mampahantra vahoaka noho ny fakana vola be amin’ny tsy rariny amin’ny vahoaka mpamboly isan-taona, mitentina hatrany amin'ny 400 000 ariary ka hatramin'ny 1 tapitrisa ariary (2 000 000fmg – 5 000 000fmg).
    Lire la suite ...
    • vendredi, 20 mai 2016 18:36
    • Photo d'Archives Net

    Mahajanga : Napetraka androany ny samboadin’ny Loholona

    Notanterahina io hariva io teo anoloan’ny Lapan'ny tanànan’i Mahajanga, ny lanonana fametrahana ny samboadin’ireo Loholona voafidy sy voatendry avy ao amin’ny faritanin’i Mahajanga. Tamin'ny ora farany no nanambaran'ny Loholon'i Madagasikara Beranto Alexandre, fa atao manoloana ny Lapan'ny tanàna indray ny lanonana fametrahana samboady raha saika natao tao amin'ny Tranoben'ny kolontsaina izany.
    Lire la suite ...
  • Tsenan'Isotry, samy nanangana ny mpivarotra
    Tsenan'Isotry, samy nanangana ny mpivarotra
    • mercredi, 18 mai 2016 23:55
    • Sary Bmh cua civisme

    Tsena Isotry: Nanorina ny fivarotana avy ny mpivarotra

    Taorian'ny fahamaizan'ny Tsenan'ny Tsiafahy Isotry tamin'ny alahady hifoha ny alatsinainy teo, dia tonga teny an-toerana ny Ben'ny Tanàna Lalao Ravalomanana. Teo anatrehan'ny mpivarotra sy ny mpanao gazety maro dia nilaza ampahibemaso izy fa amboarina aingana ny tsena mba hiverenan'ireo mpivarotra hivarotra.
    Lire la suite ...
Page 135 sur 163