Vaovao

  • Jean Pierre notantanana tonga teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy
    Jean Pierre notantanana tonga teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy
    • mercredi, 02 septembre 2015 15:33
    • Photo: Fournie

    Raharaha «Jean Pierre» : Amin’ny zoma 4 septambra ny didy

    Niakatra Fitsarana ny fiandohan’ny tolakandro teo i Jean Pierre, ilay tovolahy mpianatra taona voalohany amin’ny lalampiofanana Malagasy eny Ankatso, nosamborin’ny Emmo-Reg tamin’ny fomba mahery vaika ny alatsinainy 31 aogositra teo. Jean Pierre mikotringa sady reraka dia reraka no nanoloana ny mpitsara. Maroloha ny vesatra niampangana azy, anisany ny fanoherana sy ny fitorahana mpitandro ny filaminana. Naharitra ora iray sy sasany teo ny fifandaharana, nanomboka tamin’ny iray ora.
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 septembre 2015 22:52

    Fifandirana ara-politika : Nodorana velona ilay sefo Fokontany

    Fanohanana kandida iray ho Ben’ny tanàna tao amin’ny Kaominina Bejofo - Ambatondrazaka no niteraka ny disadisa teo amin’ny sefo Fokontanin’i Bejofo sy ireo mpanao politika sasany. Niitatra hatrany amin’ny famonoana ho faty ny sefo Fokontany mianakavy ny raharaha ny alin’ny 26 aogositra teo. Notohanan’ireo olon-dratsy avy any ivelany ny varavan’ny trano, toy izany koa ny varavarankely mba tsy ho afaka mivoha. Ny lelan’afo efa niredareda no nanaitra ilay sefo Fokontany telo mianaka tao an-trano. Nezahin’ireo nopoirina ny varavarankely ka teo izy telo mianaka no nanavotra aina.
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 septembre 2015 15:07

    Fahasalamana : Miha-mahazo vahana ny aretina fiakaran’ny tosidra

    Tranga iray mahasarika ny sain’ny maro eo amin’ny andavan’androm-piainana ny fandrenesana matetika olona tratry ny aretina fisondrotan’ny tosi-dra ka na mamoy ny ainy avy hatrany, na koa tapaka lalandra sy mitondra takaitra, ary ny tena mahavariana dia tsy ny olon-dehibe ihany no tratran’izany, fa hatramin’ireo tanora koa aza.
    Lire la suite ...
    • lundi, 31 août 2015 22:42

    Toliara : Vao avy nigadra dia nanolana ny zana-drahalahiny indray

    Lehilahy iray vao nivoaka ny fonja ny alakamisy lasa teo tany Toliara no tratra nanolana ny zazavavy tsy ampy taona, izay zana-drahalahiny ihany. Notambazany roa alina ariary ilay tovovavy iray omaly hariva teo mba hanao firaisana ara-nofo taminy saingy tsy nety.
    Lire la suite ...
    • lundi, 31 août 2015 14:32
    • Photo: Fournie

    Sprinter nipitika kodiarana : Maty ny mpamily, mpandeha 11 naratra

    Fiara sprinter nitondra fianakaviana avy niala sasasatra tany Toamasina no tra-doza 4km tsy hahatongavana ao Antsampanana tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka fahefany, raha hiazo an’Antananarivo. Nipitika teny ampandehanana ny kodiarana iray aoriana an’ilay fiara, nefa nandeha mafy, ka izay no nitarika ny loza. Nitsikasina teo amin'ny arabe ilay fiara, nitongilana any amin'ny faritra misy ny mpamily. Maty tsy tra-drano ity farany, voatsindry, naratra ny 11 tamin’ireo mpandeha tao anatiny, ka ny 2 no tena voa mafy mila fandidiana. Tsaboina ao amin'ny hopitalin'i Brickaville ireo maratra
    Lire la suite ...
  • Maresaka ny Tarimbogna andiany voalohany
    Maresaka ny Tarimbogna andiany voalohany
    • vendredi, 28 août 2015 22:37
    • Photo: Sobika Ambatondrazaka

    Tsenabe Tarimbogna 2015 : Afa-po ny mpikarakara

    Araka ny nambaran-dRtoa Saholy avy amin’ny Mick Production dia tratra ny tanjona satria na dia vao andiany voalohany aza ny “Tarimbogna” dia nahavory olona maro tao Ambatondrazaka. Tafahoana avokoa ny zanaky ny faritra Alaotra Mangoro manerana ny Nosy. Haharitra hefarana ny foara rehefa nanomboka omaly. Rahampitso kosa no sokafana amin’ny fomba ofisialy ny “Tarimbogna 2015”.
    Lire la suite ...
  • Hery Rajaonarimampianina - Président de la Republique de Madagascar
    Hery Rajaonarimampianina - Président de la Republique de Madagascar
    • vendredi, 28 août 2015 14:14
    • Photo: Net

    Fitondrana HVM, mpitari-bato vilambava

    Mangataka fitoniana hatrany ny Filoha Rajaonarimampianina izay namoronany teny vaovao indray izany hoe "Pacte de non agression", izay azo lazaina hoe fifanarahana ny tsy hifandonana eo aminy sy ny mpanao politika na ny Solombavambahoaka. Ny zava-misy eny ifotony anefa dia mifanohitra amin'izay satria dia manapatra ny fahefany rehetra ny fitondrana HVM ka izay nandresy rehetra tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna hivelan'ny HVM dia hanaovana antsonjay avokoa.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 27 août 2015 21:28
    • Photo: Net

    Toliara : Mpamongady saribao voaroba 1,4 tapitrisa Ariary

    Vola saika hividianana saribao any avaratry Toliara no lasan’ny jiolahy. Teny an-dalana ilay mpandraharaha no niharan’ny fandrobana. Nitondra mpandeha toy ny mahazatra ny fiarabe nentiny. Teo amin'ny 7 km miala ny tanànan’i Toliara, amin’ny tanàna atao hoe : Belalanda, dia nisy olona dimy toy ny mpandeha rehetra nanakana ilay fiara. Nentina fa mba vola hanampiana ny vidin-tsolika hono.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 26 août 2015 09:48
    • Photo: Njaka

    Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny olomasin'ny andro farany

      Hisy varavarana misokatra izay mahakasika ny momban'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny olomasin'ny andro farany ny 29 aogositra ho avy izao.Fotoana hanokanana ireo Fiangonana vaovao, izay hanomboka amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 4 ora hariva ary hanasana ny olona rehetra.
    Lire la suite ...
    • lundi, 24 août 2015 15:34
    • Photo: Fournie

    FI.VA.ZA: Zaikabe fahadimy tany Antsiranana

    Sary fahatsiarovana nandritra ny Carnaval fanokafana ny ZAIKABE tany Antsiranana. Ramatoa vadin'i Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-Pirenena, tamin'ny kabary fanokafana, dihy sy ny fanolorana loka tamin'ny fifaninana Basket-Ball. CLIQUER SUR GALERIE D'IMAGES
    Lire la suite ...
Page 117 sur 121