Vaovao

    • mardi, 08 septembre 2015 12:23
    • Photo: Net

    Morombe : Mpirahalahy zana-drafy nifampikapa famaky

     Lonilony sy disadisa nikotrika am-bolana maro vokatry ny ady lova taorian’ny nahafatesan-drain’izy ireo no fototry ny olan’izy mirahalahy zana-drafy ireto. Efa voatsizaran-drainy fahavelony tamin’ireto zanany telo mirahalahy ny anjara lovan’ny tsirairay (tany, omby, sns). Tsy nanaiky izany anefa ny zoky olona zanaka tamin’ny vady hafa, fa misy ny zara vilana miangatra. Omaly, raha niraoka voly tamin’ny tanimbolin’ny zokiny ny ombin’ilay zandriny, dia raikitra ny fifamaliana niafara tamin’ny fifamonoana nahatsiravina. Nifampikapa famaky sy nifanindrona lefona izy roalahy, trobaka kibo miady mafy amin’ny fahafatesana ny iray any Morombe - Toliara.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 06 septembre 2015 22:45
    • Photo: Net

    Sambava : Nirehitra ny tranon’ny pretra ao amin’ny EKAR Antanifotsy

    Nanodidina ny tamin’ny valo alina teo ny afo. Mbola tsy fantatra ny antony fa samy mihazakazaka ao anaty haizina, mifanome tanana ny vahoaka mamono ny afo. Tonga nanampy koa ny mpamono afon’ny ADEMA, ora iray aty aoriana firehetan’ny trano.Misy telo ny fiangonana katolika lehibe ao Sambava, ka ity misy trano mirehitra ity no any amin’ny tapany avaratra fidirana ny tanàna, dia misy koa ny ao afovoan-tanàna ary somary atsimo ny fahatelo.
    Lire la suite ...
  • Ilay voay haterina any amin’ny farihin’Antsarako Belalanda
    Ilay voay haterina any amin’ny farihin’Antsarako Belalanda
    • jeudi, 03 septembre 2015 23:39
    • Photo: Sobika Toliara

    Toliara : Voay nampisahotaka ny iray tanàna

    Nisy voay iray lehibe hitan’ny olona nikarenjy tao Mahavatse I ny zoma teo. Nosamborina avy hatrany ilay biby ary nogiazana tao amin’ny biraon’ny Zandary Tsianaloka. Androany antoandro ity biby ity no naterin’ireto farany any amin’ny farihin’Antsarako Belalanda, avaratr’i Toliara. Raha ny fanazavana dia voay nompiana mpimasy izy io no tafaporitsaka. Rehefa nofotorana ny tompony dia nilaza fa fakany ody gasy mahery io voay io, ary rehefa tena lehibe dia hovonoiny hakany ny hodiny sy hakana mena-boay havadika vola.
    Lire la suite ...
  • Jean Pierre notantanana tonga teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy
    Jean Pierre notantanana tonga teny amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy
    • mercredi, 02 septembre 2015 15:33
    • Photo: Fournie

    Raharaha «Jean Pierre» : Amin’ny zoma 4 septambra ny didy

    Niakatra Fitsarana ny fiandohan’ny tolakandro teo i Jean Pierre, ilay tovolahy mpianatra taona voalohany amin’ny lalampiofanana Malagasy eny Ankatso, nosamborin’ny Emmo-Reg tamin’ny fomba mahery vaika ny alatsinainy 31 aogositra teo. Jean Pierre mikotringa sady reraka dia reraka no nanoloana ny mpitsara. Maroloha ny vesatra niampangana azy, anisany ny fanoherana sy ny fitorahana mpitandro ny filaminana. Naharitra ora iray sy sasany teo ny fifandaharana, nanomboka tamin’ny iray ora.
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 septembre 2015 22:52

    Fifandirana ara-politika : Nodorana velona ilay sefo Fokontany

    Fanohanana kandida iray ho Ben’ny tanàna tao amin’ny Kaominina Bejofo - Ambatondrazaka no niteraka ny disadisa teo amin’ny sefo Fokontanin’i Bejofo sy ireo mpanao politika sasany. Niitatra hatrany amin’ny famonoana ho faty ny sefo Fokontany mianakavy ny raharaha ny alin’ny 26 aogositra teo. Notohanan’ireo olon-dratsy avy any ivelany ny varavan’ny trano, toy izany koa ny varavarankely mba tsy ho afaka mivoha. Ny lelan’afo efa niredareda no nanaitra ilay sefo Fokontany telo mianaka tao an-trano. Nezahin’ireo nopoirina ny varavarankely ka teo izy telo mianaka no nanavotra aina.
    Lire la suite ...
    • mardi, 01 septembre 2015 15:07

    Fahasalamana : Miha-mahazo vahana ny aretina fiakaran’ny tosidra

    Tranga iray mahasarika ny sain’ny maro eo amin’ny andavan’androm-piainana ny fandrenesana matetika olona tratry ny aretina fisondrotan’ny tosi-dra ka na mamoy ny ainy avy hatrany, na koa tapaka lalandra sy mitondra takaitra, ary ny tena mahavariana dia tsy ny olon-dehibe ihany no tratran’izany, fa hatramin’ireo tanora koa aza.
    Lire la suite ...
    • lundi, 31 août 2015 22:42

    Toliara : Vao avy nigadra dia nanolana ny zana-drahalahiny indray

    Lehilahy iray vao nivoaka ny fonja ny alakamisy lasa teo tany Toliara no tratra nanolana ny zazavavy tsy ampy taona, izay zana-drahalahiny ihany. Notambazany roa alina ariary ilay tovovavy iray omaly hariva teo mba hanao firaisana ara-nofo taminy saingy tsy nety.
    Lire la suite ...
    • lundi, 31 août 2015 14:32
    • Photo: Fournie

    Sprinter nipitika kodiarana : Maty ny mpamily, mpandeha 11 naratra

    Fiara sprinter nitondra fianakaviana avy niala sasasatra tany Toamasina no tra-doza 4km tsy hahatongavana ao Antsampanana tokony ho tamin’ny 11 ora latsaka fahefany, raha hiazo an’Antananarivo. Nipitika teny ampandehanana ny kodiarana iray aoriana an’ilay fiara, nefa nandeha mafy, ka izay no nitarika ny loza. Nitsikasina teo amin'ny arabe ilay fiara, nitongilana any amin'ny faritra misy ny mpamily. Maty tsy tra-drano ity farany, voatsindry, naratra ny 11 tamin’ireo mpandeha tao anatiny, ka ny 2 no tena voa mafy mila fandidiana. Tsaboina ao amin'ny hopitalin'i Brickaville ireo maratra
    Lire la suite ...
  • Maresaka ny Tarimbogna andiany voalohany
    Maresaka ny Tarimbogna andiany voalohany
    • vendredi, 28 août 2015 22:37
    • Photo: Sobika Ambatondrazaka

    Tsenabe Tarimbogna 2015 : Afa-po ny mpikarakara

    Araka ny nambaran-dRtoa Saholy avy amin’ny Mick Production dia tratra ny tanjona satria na dia vao andiany voalohany aza ny “Tarimbogna” dia nahavory olona maro tao Ambatondrazaka. Tafahoana avokoa ny zanaky ny faritra Alaotra Mangoro manerana ny Nosy. Haharitra hefarana ny foara rehefa nanomboka omaly. Rahampitso kosa no sokafana amin’ny fomba ofisialy ny “Tarimbogna 2015”.
    Lire la suite ...
  • Hery Rajaonarimampianina - Président de la Republique de Madagascar
    Hery Rajaonarimampianina - Président de la Republique de Madagascar
    • vendredi, 28 août 2015 14:14
    • Photo: Net

    Fitondrana HVM, mpitari-bato vilambava

    Mangataka fitoniana hatrany ny Filoha Rajaonarimampianina izay namoronany teny vaovao indray izany hoe "Pacte de non agression", izay azo lazaina hoe fifanarahana ny tsy hifandonana eo aminy sy ny mpanao politika na ny Solombavambahoaka. Ny zava-misy eny ifotony anefa dia mifanohitra amin'izay satria dia manapatra ny fahefany rehetra ny fitondrana HVM ka izay nandresy rehetra tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna hivelan'ny HVM dia hanaovana antsonjay avokoa.
    Lire la suite ...
Page 113 sur 118