Vaovao

    • lundi, 02 décembre 2019 21:33
    • Tahirin-tsary nindramina

    Fanaovana « permis biométrique »: Notapahin’ny mpiara-miombon’antoka sahady ?

    Miato sahady indray ny fanaovana biometrika ny fahazoan-dalana hanamory fiara sy taratasin’ny fiara. Tamin’iny herinandro iny dia hagagana ny an’ireo sekoly mampianatra fanamoriana fiarakodia rehefa tonga tao amin’ny Faritrany fa nahemotra hatrany amin’ny volana Janoary 2020 ny famoahana ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiarakodia. Raha ny fanazavana nomena azy ireo dia misy olana ny fitaovana ka tsy afaka na dia haka sary akory aza ireo mpianatra marobe, izay taterina avy eto Antsirabe ho any Antananarivo rehefa Talata sy Alakamisy. Efa nisy ny peta-drindrina niandry azy ireo sy nanondro ny daty tokony hiverenany arakaraky ny “rendez-vous”, efa nomena azy ireo taloha.
    Lire la suite ...
    • lundi, 02 décembre 2019 21:27
    • Sary Gasypatriote

    Famatsiana rano: Mitaraina ny mponin’i Faravohitra sy Ambatomaro

    Rahoviana ihany ! Mahatsiaro voafitaka ny mponina eny Faravohitra, Boriborintany voalohany Antananarivo Renivohitra, raha nampanantenaina rano amin’ny paompy, taorian’ny nambaran’ny Jirama fa nisy fanamboarana ny fitaovana fitsinjarana rano teny Andohalo mba hahazoan’ny mponina eny Faravohitra sy ny manodidina rano, nefa tsy izay no mitranga. Rano mampiahiahy, hoy ny olona, no tonga eny amin’ireo sinibe manga natao vahaolana vonjimaika hamatsiana rano ny mponina. Sasa-miandry ny rano avy eny Amoron’Ankona nampanantenaina ho avy hatramin’ny 11 septambra 2019 indray ny mponin’Ambatomaro, Boriborintany fahadimy Antananarivo Renivohitra. Efa andro maromaro no tsy misitraka rano ny ankamaroan’ny mponina amin’iny faritra iny, mahatsiaro ho atao fahirano. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mercredi, 20 novembre 2019 09:56
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Zazakely hita tao anaty lava-drano, nokasaina hangalarina sa nariana ?

    Tranga hafahafa no niseho tao amin’ny Fokontany Fitomilasy-Bevokatra, Kaominina ambonivohitra Antsirabe ny harivan’ny alatsinainy 18 novambra tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Zazavavikely sahabo ho herintaona sy tapany eo, nilanja 9kg raha ny nambaran’ny dokotera no nisy nahita tao anaty lava-drano eo an-tokontanin’olona iray. Raha ny fanazavana netin-dRtoa Olga, komitim-pokontany tao an-toerana, izay nitondra ilay zaza teny amin’ny hopitaly dia tranona mpiasan’ny fandraharana ny fonja no nahitana ilay lava-drano mirefy 15 metatra eo ho eo ny halaliny. Tsy mipetraka ao ireo mpiambina fa miasa any an-tsaha amin’ny atoandro, ka rehefa nody izy ireo dia gaga nandre feon-jaza mitomany tao andava-drano izay efa ritra.
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 novembre 2019 13:16
    • Sary nomena

    Antazoa-Malaimbandy: Trano 85 kilan’ny afo vokatry ny doro tanety

    Nitrangana haintrano goavana tao Antazoa, Kaominina Malaimbandy, Distrikan’i Mahabo, ny faran’ny herinandro teo. Trano 85 tafo no rava, kilan’ny afo vokatry ny doro tanety. 366 tsy manan-kialofana vokatr’ity haintrano ity. May hatramin’ny EPP, misy mpianatra 140. Tsy afa-mianatra ireto farany vokatr’io haintrano io, satria may avokoa ny fitaovam-pianaran’ny mpianatra. Mpamatsy manga an’Antsirabe io tanàna io. Telo kamiao isan'andro ny manga mivoaka ao Antazoa, nefa may avokoa ny ala manga vokatr’ity doro tanety ity. Tonga tao an-toerana ny solontenam-panjakana nitondra fanampiana ho an'ireo traboina. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 novembre 2019 09:44
    • Sary Polisim-pirenena

    Tsy fandriam-pahalemana: Mivaingana ny ezaka ataon'ny Polisim-pirenena

    Tamin’ity herinandro ity dia lehilahy telo no voasambotry ny mpitandro ny filaminana tamin’ny resaka trafikana rongony teto Antananarivo. Rehefa natao ny fitsirihana sy ny velapandrika dia hita fa nisy olona nanaparitaka rongony mahery vaika rehefa amin’ny alina eny amin’ny manodidina an’Antaninarenina ,Fasandrainiaro, Isoraka. Rehefa tratra moa ny iray tamin’izy ireo, araka ny velapandriky ny mpitandro ny filaminana dia nahatratrarana irony rongony fotsy sy maitso teny aminy. Nitohy ny velapandrika, nosavaina ny finday, dia nahitana zavatra azo anohizana ny fanadiadiana, ary tamin’izany no nahazoana olona iray fanampiny, izay iray petsapetsa taminy, nahitana "drogue dur", ary rehafa natao ny fisavana ny tao an-tranony dia voamarina fa mamboly ireto zava-mahadomelina ireto ireo olona, ary mbola nahitana karazana rongony maro be sy fitaovam-piadiana izay tsy hanana taratasy mazava.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 17 novembre 2019 09:37
    • Sary Zandarimaria

    Fanambana - Vohémar: Sahan-drongony an-tsasaka hekitara nopotehina, olona roa voasambotra

    Saron'ny mpitandro filaminana avy ao amin'ny Tobim-paritry ny Zandarimaria eto Vohémar, tao Andraparany Fokontany Ambakirano, Kaominina Fanambana, ny voly rongony amina velaran-tany mirefy 1/2 ha, ny tolakandron'ny zoma 15 novambra 2019. Nisy olona roa voasambotra. Nodorana tany an-tsaha teo anatrehan'ny mpitondra sy ny Fokonolona any an-toerana ny ampahany tamin'ireo zava-mahadomelina ireo. Mitohy ny fanadihadiana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 novembre 2019 12:11
    • Sary nomena

    Fandriampahalemana: Tsy maintsy mijery ny fomba hiara-miasa amin’ireo firenena manodidina i Madagasikara

    Nandray anjara tamin’ilay fivoriana andiany faharoa momba ny fandriampahalemana (Forum de Paris sur la Paix), izay natao tao Grande Halle de la Villette ny 11 hatramin’ny 13 novambra lasa teo, ny Praiministra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Seha-pifanakalozana iraisan’ireo firenena manerantany ahafahana mifanakalo ity fivoriam-be ity, ary ikatsahana vahaolana mora ampiasaina sy azo tsapain-tanana, manoloana ny fanamby hamerenana ny fitoniana ankehitriny ; ary izany dia amin’ny alalana fomba fitantanana mifandraika amina fifandraisana maro lafy.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 15 novembre 2019 18:20
    • Sary Zandarimaria

    Betroka: Lehilahy iray tratra nanaparitaka vola sandoka mitentina enina alina Ariary

    Saron'ny Zandary avy ao amin'ny Tobim-paritra Betroka ny vola sandoka mitenina 60 000 Ariary miaraka amin'ny lehilahy iray nanamparitaka ireo vola. Lasibatra ny mpivarotra teto Betroka. Natao dika mitovy tamin’ny « Photocopie » ireo vola sandoka. Mitovy avokoa ny laharan'ireo vola, ary mora fantatra avy hatrany fa vola tsy izy raha amin'ny atoandro. Karohina fatratra ireo mpiray tsikombakomba amin’ity mpanaparitaka vola sandoka voasambotra ity. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 14 novembre 2019 19:30
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Vatofotsy – Antsirabe: Lehilahy nitsoraka tao ambany kamiao, maty tsy tra-drano

    Lehilahy iray tokony ho 40 taona no maty nitsoraka tao ambany kamiao, io maraina io, tokony ho tamin'ny 9 ora teo ho eo, teo Vatofotsy Antsirabe. Raha ny nambaran'ireo nahita ny loza dia nandrasan'ilay lehilahy handalo ilay kamiao dia nitsoraka tao ambany izy. Tsy tsikaritry ilay mpamily izany raha tsy olona no nihorakoraka nanakana azy. Maty tsy tra-drano ilay lehilahy ary tapatapaka avokoa ny ratsambatany. Tsy mbola fantatra aloha hatreto ny havan'ity lehilahy namono tena ity. Efa tonga nizaha ny razana ny mpitandro filaminana. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 13 novembre 2019 22:36
    • Sary Njaka

    Asan-jiholahy: Mahita vokatra ny Polisim-pirenena

    Traha-tehaky ny polisy ireo jiolahy miisa enina, izay nanao ny asa ratsiny. Ny iray amin’izy ireo moa no maty voatifitra noho ny fanoherana nataony izay nahatonga ny tifitra. Nahitana fitaovana mahery vaika moa tamin’izy ireo, izay nisy cartouche-na bala miisa 15, ireto fitaovana ireto moa dia anisan’ny tsy azo ampiasain’ny olona tsotra tazomina satria antsoina hoe Arme de guerre no filaza azy. Anisan’ny nanao ny fanafihana teny amin’ny orin’asa Djama itaosy, Antohomadinika, teny amin’ny 67ha nanafika ny mpiasan’ny JB.
    Lire la suite ...
Page 2 sur 158