Vaovao

    • mardi, 18 juin 2019 19:44
    • Sary: MATHP

    Itaosy: Mitarazoka ny fanamboaran-dalana

    Naharay fitarainana avy amin’ny mpampiasa ny làlana mizotra mankeny Itaosy iny ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana ary ny Asa Vaventy, ka nidina ifotony nijery ny olana mampitarazoka ny fanamboarana eo amin’ny faritra sampanana Andranonahoatra. Nilaza ny avy eo anivon’ity ministera ity fa hentintra ny amin’ny fanaraha-maso ireo tetikasa fanamboaran-dàlana ankehitriny. Miova ny fomba fiasa, Tsy ekena intsony ny kitranoantrano sy ny alasafay. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 17 juin 2019 21:32
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Jeneraly Richard Ravalomanana: “Tsy fieren'ny jiolahy ny Zandarimariam-pirenena”

    Tontosa androany Alatsinainy 17 jona 2019 ny famindram-pitantanana teo amin'ny Komandin'ny Vondrompileovan'i Vakinankaratra, ka nandraisan'i Kolonely Randrianarimasy Radosoa ny andraikitra, nandimby ny Kolonely Rasambomanana Yvon Patrick, izay nitantana izany hatramin'ny taona 2017. Niatrika izany ny Jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ary nitondra hafatra nafonja fa “tsy fieren'ny jiolahy ny Zandary” raha mbola izy no eo. Mahasarotiny azy ny tsy fanarahan-dalana sy ny kolikoly satria izany no nanagadrana Zandary efa ho 38 tamin’ity taona ity fotsiny. Nanamafy izany ny Kolonely Randrianarimasy Radosoa fa “izay tsy hanaraka fitsipika dia afaka mifindra toerana avy hatrany”. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 17 juin 2019 13:58
    • Sary nindramina

    Namibia: Voatery hatao lavanty ny biby, hiarovana azy tsy ho fatin'ny haintany

    Faritra maro no anjakan’ny haintany any Namibia, hatramin’ny volana aprily no mankaty. Ritra ny rano. Biby maro no ahiana ho faty vokatr’io. Nanapa-kevitra ny governemanta fa hamidy hatao lavanty ny biby, hiarovana azy ireo tsy ho faty, mba tsy hiverina ny nitranga tamin’ny taon-dasa 2018, izay nananika ny 60 000 no maty tsy nahatanty ny fiakaran’ny hafanana tafahoatra. Voakasik’io fanaovana lavanty io ireo bibidia amin’ireo faritra arovana toy ny « buffle », « springbok », « girafe » ary ny elefanta. Tombanana ho iray tapitrisa dolara ny vola hiditra amin’i Namibia amin’io lavanty hatao io, vola izay hatokana hikajiana ireo biby any amin’ireo faritra arovana.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 16 juin 2019 20:16
    • Tahirin-tsary

    Fandraharahana ny fonja: Milamin-dratsy

    Mankalaza ny faha-60 taonany izao ny fandraharahana ny Fonja eto Madagasikara, nosantarina tamin’ny vavaka iraisam-pinoana teny amin'ny EKAR Faravohitra Antananarivo tamin’ny 02 aprily 2019 izany. Foibem-pitondrana ankapobeny eo anivon’ny ministeran’ny Fitsarana ny fandraharahana ny Fonja. Niova im-betsaka ny minisitry ny Fitsarana sy ny Praiminisitra ary ny Filohan’ny Repoblika tao anatin’izay 60 taona izay, fa tsy nanaraka an’izay tsioka izay ny an’ny fandraharahana ny Fonja fa toa « milamin-dratsy ! », izay no teny mahafintina ny zava-misy.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 16 juin 2019 20:02

    Sambava: Tovolahy iray mpianatra, kilasy “3ème”, maty notifirin’ny jiolahy

    Halatra nitranga tao amin'ny Fokontany Ambatofitatra eto amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Sambava no niafara tamin’ity vono olona ity. Tovolahy antsoina hoe: Lovasoa, 20 taona, avy any amin’ny Kaominina Andrahanjo fa mipetra-drery, mandrato fianarana eto Sambava. Nisy andian-jiolahy nangalatra ny « panneau solaire » miaraka amin'ny « batterie » tamin’ny trano nitoerany ny zoma 14 jona tokony ho tamin'ny 11ora alina. Taitra tamin'ny toromasony i Lovasoa ary nentin’ny hafanam-po ka nanenjika ny mpangalatra. Tifitra anefa no nasetrin’ireo jiolahy, ka nahalavo azy. Nifamonjena nentina teny amin'ny hopitalibe Besopaka izy, ny sasany niantso mpitandro ny filaminana. Tsy tana intsony ny ainy nony maraina ny andro. Ny sabotsy maraina ihany dia efa tonga ny fianakaviana naka ny razana teny amin'ny hopitaly.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 14 juin 2019 22:17
    • Sary nindramina

    Kolikoly amin'ny lalam-pirenena: Zandary telo tratra ambodiomby

    Zandary miasa ao Maevatanana izy ireo, ary teo amin'ny RN4 Ambalanjanakomby no tratra ny 7 jona lasa teo. Ny ampitson'ny nahatrarana azy ireo ihany dia nosoniavin'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ny fanomezan-dalana hanenjehana azy telo lahy (ordres de poursuite). Tsy natolotra ny Fampanoavana Fitsarana ambaratonga voalohany Maevatanana izy ireo ho fiarovana azy ireo manoloana ireo olona nataon'izy ireo famotorana ka gadra, ka sao mamaly faty ao am-ponja. Nentina any Mahajanga izy ireo kanefa tsy mbola voaray fa misy paikady arahana ao amin'ny Fampanoavana. Tazomina ao amin'ny "cellule" ao Mahajanga izy ireo amin'izao mandra-piandry izany.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 14 juin 2019 13:58
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Mpividy moto halatra miisa 5 nosamborin'ny Polisy

    Nirongatra ny halatra moto teto Antsirabe tato ho ato. Maro ny fitarainana voarain'ny Polisy mikasika izany. Noho ny ezak'ireto farany dia mpividy moto halatra miisa 5 no voasambotra ary dia hatolotra ny Fampanoavana. Miainga eto Antsirabe ny halatra, hoy ny Kaomisera Patrick, ary any Bemaha sy Manapa ary Andremebesoa no tena ivarotana ireo moto Cross halatra, satria lavitra any ka tsy atahorana ny hahitan’ny tompony azy. Tsy misy fanovana firy rahateo ireo moto tratra ireo.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 14 juin 2019 13:53

    Raharaha « BASE TOLIARA »: Afaka izy 9 lahy notanana am-ponja tao Fianarantsoa

    Nivoaka omaly 13 jona ny didim-pitsarana mikasika ny rotaka nitarika fahapotehana fitaovana sy fandorana foto-drafitrasan’ny orinasa « BASE TOLIARA » tamin’ny 17 aprily 2019. Sivy mianaka, mponina ao Benetse, Ampototse ary Tsiafanoke no nosamborina tao Toliara, ny 2 mey 2019 noho io raharaha io, ary nampidirina am-ponja vojimaika tao Ankazondrano Fianarantsoa ny 9 mey 2019.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 14 juin 2019 08:58
    • Sary: Polisim-pirenena

    Zaza nanaovana « Ombay mitady » : Very teny Soarano kely Ambohijanaka, hita teny Dorodosy akaikin’Alasora

    Zazalahy kely miisa telo nanaovana filazana« Ombay mitady » teny Soarano kely Ambohijanaka sy naparitaka teto amin’ny tambazotran-tserasera ny Alarobia 12 Jona 2019 no hitan’ny Polisy tany Dorodosy akaikin’Alasora. Nanao ny fikarohana nandritra ny alina manontolo ny Polisy, rehefa nahazo fampandrenesana, ka ny Alakamisy 13 jona tokony ho tamin’ny 08 ora maraina no hita teny an-tanimbary teny amin’ny faritra Dorodosy akaikin’Alasora iny izy telo lahy kely, izay marihina fa 08 taona ny zokiny ary 06 taona ny zandriny indrindra. Noho ny kapoka nataon’ny Ray aman-drenin’ny iray amin’izy ireo no nambaran’ny zazalahy iray ho nampitsoaka ka izy indray avy eo no nitaona ireo namany roalahy niaraka taminy. Efa tafaverina soa aman-tsara amin’ireo Ray aman-dreniny omaly ireto zaza very ireto. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 13 juin 2019 11:40
    • Sary: BNGRC

    Tsarafaritra - Tsimbazaza: Napoaka ilay vato be 500 taonina nahiana hiotsaka

    Iray volana lasa izay no nidina nijery ifotony ilay vato be mandondona, nahiana hiotsaka, teny Tsarafaritra - Tsimbazaza Antananarivo faha-4, ny Sekretera mpanantateraky ny BNGRC sy ireo ekipa teknika. Omaly maraina no tonga teny an-toerana ireo ekipa rehetra miaraka amin'ny fitaovana (dinamita) nanapoahana ilay vato be. Tamin’ny 2ora tolakandro no nifarana ny asa. Tsy nisy olona naratra na maty na fahasimban-javatra. Niara-niasa tamin'ny fanatanterahana ny fanapoahana vato nataon'ny BNGRC omaly ity ny MATHTP (Ministère de l'Aménagement du Territoire, de l'Habitat et des Travaux Publics, Prefektioran'Antananarivo, Distrika Antananarivo faha-IV ), CPC (Corps de Protection Civile), ary ny Sapeurs Pompiers (CUA). (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 134