Vaovao

    • jeudi, 02 avril 2020 09:46
    • Sary nomena

    Praiminisitra Ntsay Christian: Nijery ifotony ny fampiharana ireo fepetra napetraka ho fiarovana amin’ny fianaky ny Coronavirus

    Nampivory ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tao Nosy Be sy Mahajanga ny Praiminisitra, Lehiben’ny governementa, Ntsay Christian, niaraka tamin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jeneraly Rakotonirina Richard, nidinika ny fomba ampiharana ireo fepetra izay napetraka ho fiarovana amin’ny fianaky ny valanaretina Coronavirus. Mazava ny hafatry ny Praiminisitra nandritra izao fidinana ifotony izao : “Ny fahaizantsika mifehy tena no fitaovana entintsika miaro tena sy miaro ny hafa amin’ny alalan’ny fanarahana ireo fepetra rehetra izay apetraka”.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 avril 2020 16:07
    • Sary ZP

    Ambanja: Maty voatifitra teny ampandosirana i Doudoul, atidohan’ny fakana ankeriny ny zanaky ny Ben’ny tanànan’Antananarivo

    Voasambotry ny Zandary tao Ambodivoanio Ambanja ny tolakandron’ny 27 marsa 2020 i Homady Abdoul na i Doudoul, raindahiny amin’ny fakana ankeriny. Voatondro ho atidohan’ny mpanao kidnapping i Doudoul. Tranga fakana ankeriny maromaro no mahavoarohirohy azy. Teo ny nahazo an’i Yanish Ismael tamin’ny 14 mey 2017. Doudoul no atidohan’ny fakana ankeriny an’i Natan Andriantsitohaina, zanaky ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra tamin’ny 22 desambra 2017. Mbola izy no tao ambadiky ny fakana ankeriny an’i Richi Chandarana nitranga ny 03 jona 2018, Vasram Sabera ny 6 jolay 2018, Molou Sabir ny 13 oktobra 2018 ary i Malik Kaarmaly sy Sofiane Omrani nitranga ny 08 desambra 2018.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 01 avril 2020 16:01
    • Sary nomena

    Befotaka Nord: Nasiana barrage sanitaire

    Nasiana barrage sanitaire nanomboka androany alorobia 01 aprily eto ampidirana, avy any atsimo, an-tanànan'i Befotaka-Nord, Distrikan'i Analalava, lalam-pirenena faha 6, izay notarihin'ny Dr Patrice, notronin'ireo mpitandro ny filaminana avy amin'ny Polisy Nasionaly, ny Polisy Kaominaly ary ny Zandarimariam-pirenena. Ka raha misy tranga mampiahiahy aorian'ny fitiliana ny mety fiakaran'ny hafanana dia averina haingana any amin'ny hopitaly any Antsohihy ilay olona ahiahiana. Manao izay vitany ireo dokotera sy ireo mpanampy azy, ary indrindra ireo mpitandro ny filaminana, nefa dia tsy misy fitaovana hiarovany tena izy ireo amin'ity valanaretina coronavirus ity. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 mars 2020 19:43
    • Sary: Talentino Hilaire

    Analalava-Sofia: Nitsoaka coronavirus avy any Nosy-Be nandeha sambolay nitady toerana mangingina

    Nisy mpizahatany tonga tao amin’ny fokontany Nosilava Kaominina Analalava ny harivan’ny alatsinainy 30 marsa 2020. Sambolay miisa 3 no nitondra azy ireo, izay nahitana olona 14. Nidina avy hatrany nijery ny zava-misy ny lehiben'ny Distrika, ny lehiben'ny boriboritany Analalava, ny Médecin Inspecteur sy mpiasan'ny fahasalamana, ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny Ben'ny Tanàna, ka tamin’izany no nahalalana fa nitsoaka ny mety ho fisian'ny valanaretina Coronavirus any Nosy-Be izy ireo, ka nijery toerana mba mangingina tsy misy olona. Nisy ny fizahana maripana natao tamin'izy ireo, taorian’izay dia nasaina niverina any Nosy-Be izy ireo. Maniry ny hahazo fitaovana ahafahana manara-maso ny sisintany aty Analalava ireo tompon'andraikitra, mba hisorohana amin’ny fihanaky ny valanaretina coronavirus, ary ny fampitaovana fitiliana ahafahana mamantatra ireo mitondra tsimokaretina. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 mars 2020 12:21
    • Tahirin-tsary nomena

    Coronavirus: Mitebiteby Befotaka Nord

    Herinandro aty aoriana, sasa-miandry ilay valin'ilay fitiliana an'ilay vazaha Delmas Joseph Anthony ny mponina aty Befotaka Nord, indrindra ireo mpitandro ny filaminana sy ireo fianakaviany, izay nolazaina fa tsy maintsy atoka-monina raha voamarina fa mitondra ilay otrikaretina coronavirus ity tera-tany frantsay ity. Hatreto dia tsy misy tatitra momba ny valin'izany fitiliana izany tonga aty an-toerana. Nisahotaka tokoa manko ny mponina taty amin'ny Kaominina ambanivohitra Befotaka-Nord ny sabotsy 21 mars lasa teo nahita vazaha naka sary sy nivezivezy, ka izay tanàna nandehanany dia nandroaka azy avokoa. Niditra antsehatra ny mpitandro filaminana iarovana ny ainy sy ny tsy hitaran'ny korontana taty an-toerana.
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 mars 2020 09:10
    • Sary nindramina

    Coronavirus: Hatao fitiliana maika avokoa ireo rehetra nahavita fihibohana 14 andro taorian’ny fahatongavany avy any ivelany

    Tonga eo amin’ny faran’ny fe-potoana nihibohana an-trano ny andiany voalohany tamin’ireo olona tonga teto Madagasikara tamin’ny sidina avy any ivelany nanomboka ny 11 marsa 2020. Hatao fitiliana maika (test rapide) avokoa izy ireo hamantarana ny toe-pahasalamany mialoha ny hiverenany eo anivon’ny fianakaviany avy, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Homena fanamarinana na « Certificat de fin de mise en quarantaine » ireo izay azo antoka fa tsy misy soritraretina tsy hisian’ny ahiahy amin’ny fiverenan’izy ireo eny anivon’ny fianakaviany. Hatao ankalamanjana ny fitiliana ary efa misy ny fandaharam-potoana hanatanterahana izany nampahafantarin’ny filohan’ny Repoblika ny alatsinainy 30 marsa teo.
    Lire la suite ...
    • mardi, 31 mars 2020 08:11
    • Sary nindramina

    « Vatsy Tsinjo »: Izay mahazo SMS avy amin’ny CUA no tonga ary mahazo

    Mitohy ny fizarana « Vatsy Tsinjo » ao anatin’ny Drafitra sosialy ho fanohanana ireo olona tsy afa-miasa ao amin’ny sokajin’asa marefo vokatry ny fampiharana ny hamehana ara-pahasalamana noho ny valanaretina coronavirus. Anisan’izay ireo mpamily taxi, taxibe ary resevera. Nisy 1 600 indray no nahazo fanampiana ny alatsinainy 30 marsa, ao anatin’ny Drafitra sosialy. Teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna no nanaovana ny fizarana. Nanamarika ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa izay nahavoaray SMS avy amin’ny CUA ihany no tokony ho tonga eny an-toerana. Tsy misy SMS manan-kery ahazoana ny « Vatsy Tsinjo » afa-tsy ny avy amin’ny CUA ihany. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 mars 2020 16:17
    • Sary: Polisim-pirenena

    67ha: Tompona "Bar" iray no nosamborin'ny Polisy noho ny tsy fanarahan-dalana

    Nanokatra ny toeram-pivarotany, sady manentana ny mpisotro toaka tao aminy, hanohitra ny asan'ny mpitandro filaminana, nosamborin'ny Polisy ny tompon’ilay trano fisotroan-toaka iray tetsy 67ha ary nakatona ilay toeram-pivarotana. Noravan'ny Polisy ihany koa ireo tanora milalao eraky ny araben ' Ankazomanga izay manao baolina sy milalao roller ka nogiazana avokoa ny kilalaon'izy ireo tsy hahafahany manao izany intsony, hisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 mars 2020 14:01

    Antsohihy: Lehilahy iray matin'ny fitsaram-bahoaka

    Mpangalatra nifanenjehan’ny Fokonolona izy ity, ary niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany rehefa voasambotra. Namoy ny ainy noho ny fahaverezandra be loatra ilay lehilahy. Tonga ny mpitandro filaminana rehefa nahazo fampilazana, saingy efa tsy nisy azo natao intsony. Tao amin’ny Fokontany Ankiririky Avaratra II, Antsohihy no nisehoan’ity tranga ity androany alatsinaina 30 martsa 2020 vao maraimbe tokony ho tamin'ny 03 ora.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 29 mars 2020 19:02
    • Sary nindramina

    Covid-19: Natokam-ponenana i Moussa Faki, filohan’ny Vaomiera Afrikana

    Taorian’ny fifampikasohany tamina lehilahy iray, teratany Maorisiana, 72 taona, avy any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC) ny 14 marsa ka tonga ao Addi Abeba, misy ny foiben’ny Vaomiera Afrikana nefa mitondra tsimokaretina coronavirus dia natokam-ponenana avy hatrany i Moussa Faki, filohan’ny Vaomiera Afrikana. Nisy olona enina efa nifampikasoka tamin’ity teratany maorisiana ity hatramin’ny nahatongavany ary efa samy arahi-maso ara-pahasalamana avokoa amin’izao. Firenena miisa 46 amin’ny 54 aty Afrika no efa ahitana ity valanaretina coronavirus, ka 3 924 no voamarina mitondra ny tsimokaretina, ary efa namoizana ain’olona 117 araka ny tatitra nataon’ny « Centre pour la prévention et le contrôle des maladies de l’Union africaine » ny omaly sabotsy 28 marsa 2020. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 1 sur 178