Toamasina: Feran’ny fanjakana ny fatran'entana azon’ny olona jifaina, toy izany koa ny vidin’entana

  • mercredi, 25 mars 2020 12:48
  • Zakaria
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Nivoaka ny didy mametra ny fatran'ny entana azon’ny olona jifaina isan’andro sy ny vidiny. Vary 5kg, menaka iray litatra ary iray kilao avy ny lafarinina sy ny siramamy no azo vidina isan'andro.

Mihatra manomboka ny alarobia 25 marsa 2020 eny an-tsena izany araka ny voalazan'ny Talen'ny varotra sy ny indostria ary ny asa tanana Atsinanana

Raha ny vidiny indray dia eo anelanelan’ny 1 750 Ariary ka hatramin’ny 2 100 Ariary ny iray kilao vary.
6 500 Ariary ny menaka mihidy anaty tavoahangy raha 5 000 Ariary ny menaka antsinjarany.
2 400 Ariary ny kilaon'ny lafarinina.
2 600 Ariary ny fotsy raha 2 400 Ariary ny mena amin'ny siramamy.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.