Coronavirus: Nisy tranga roa vaovao, miisa 19 ny olona mitondra io tsimokaretina io eto Madagasikara

  • mardi, 24 mars 2020 13:55
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tamin’ny fampitam-baovao nataon’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, mpitondrateny ofisialy ny Centre de Commandement Opérationnel Covid-19, manana foibe eny Ivato, dia nisy 60 ny fitiliana natao androany, ka ny valin’izany azo tamin’ny 12ora atoandro teo dia misy tranga vaovao roa voamarina fa mitondra ny tsimokaretina coronavirus.

Vehivavy avokoa ireto roa vaovao voa ireto ary isan’ireo mpandeha tamin’ny sidina MD051 tonga teto Madagasikara tamin’ny 18 martsa 2020.

Nanamarika ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle fa avy any amin’ireo firenena fantatra fa misy ity valanaretina coronavirus ity avokoa ireo olona miisa 19 voamarina tamin’ny fitiliana natao azy ireo fa mitondra ilay coronavirus. « Tsy nahitana soritr’aretina ny 18 tamin’ireo, ny iray no nanavy saingy efa nihatsara ny fahasalamany. Tsy misy « forme grave » na tonga amin’ny fahasemporana ireo marary ary tsy mbola nisy olona namoy ny ainy noho ny covid-19 », araka ny fanamafisana nataon’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle hatrany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.