Isoanala (RN13): Taksiborosy nisy nanafika, maty ny mpamily iray, voaroba ny mpandeha

  • jeudi, 13 février 2020 10:27
  • Zakaria

Fiara « carandal » mitondra mpandeha niainga avy ao Antananarivo hiazo an’i Tolagnaro, no notafihin’ny andian-dahalo telopolo lahy mitam-basy tamin’ny lalam-pirenena faha-13 teo amin’ny tanànan’i Manakilova Tsimitsoy, Kaominina Isoanala, Distrikan’i Betroka ny alin’ny alarobia hifoha ity alakamisy 13 febroary ity.

Nitifitra ireo dahalo nampijanonana ny fiara. Voa teo amin’ny kibony ny mpamily naratra mafy, nitarika amin’ny fahafatesany. Voaroba avokoa ny vola sy firavaka ary entana lafo vidy an’ny mpandeha, anisany very tamin’izany ny fananan’ireo atleta solontenan’ny faritra Anôsy avy niatrika fifaninanam-pirenena tao Antsirabe Vakinankaratra.

Tsy nijanona teo fa nanafika tanàna teo amin'ny manodidina ireo andian-dahalo ireo, ka olona roa tompon’omby voatifitry ny dahalo, nisy tamin’ireto farany koa voatifitry ny Zandary.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.