Tranomaro – Amboasary Atsimo: Dahalo iray azo sambobelona nangalatra omby

  • mercredi, 12 février 2020 21:49
  • Zakaria

Nitrangana halatr’omby tao Antsira, Kaominina Tranomaro, Distrika Amboasary Atsimo, androany alarobia 12 febroary tokony ho tamin’ny 3ora maraina. Omby miisa 58 no lasan’ny dahalo mitam-basy. Roso tamin’ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny Fokonolona ny Zandary sy ny Miaramila manao « opération » ao Tranomaro vantany vao nahazo fampandrenesana.

Nisy ny fifandonana tao Ankazoabo, Kaominina Tranomaro. Dahalo iray azo sambobelona. Tafaverina amin’ny tompony ny omby miisa 51, maty notifirin’ireo dahalo ny fito. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Zandary miainga amin’ity dahalo voasambotra ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.