Coronavirus: Sinoa sivy sy Malagasy valo no arahimaso eny amin'ny CHU Anosiala

  • mardi, 11 février 2020 11:11
  • Zakaria
  • Sary: DGFS

Araka ny fampitam-baovao ao amin’ny pejin’ny DGFS (Direction Générale de Fourniture des Soins) eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka malagasy dia « Sinoa miisa sivy sy Malagasy miisa valo no arahimaso eny amin'ny CHU Anosiala amin'ny ady atao amin'ny valan'aretina « Coronavirus ». Roa amin'izy ireo no misy fambaran'aretina ary ny iray dia efa voaporofo fa tsy aretina « Coronavirus » no mahazo azy. Mitohy ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana an'izy ireo ».

CHU Anosiala, Kaominina Anosiala, Distrika Ambohidratrimo dia hôpitaly lehibe sy anisan'ny ari-fomba indrindra eto Madagasikara. 18 Km miala an'Antananarivo, raha mizotra miankandrefana amin'ny lalam-pirenena faha-4 miazo an'i Mahajanga iny no misy azy.

Eny no toerana natokan'ny Fanjakana handraisana an-tanàna ireo olona ahiahiana ho tratry ny aretina "Coronavirus".

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.