Soavinandriana - Sambava: Dibo-drano noho ny fanotorana tany

  • vendredi, 17 janvier 2020 09:45
  • Tigre
  • Sary nomena

Ao anatin'ny rano ireto fianakaviana maro ireto no miaritra ny rano miakatra sy miditra any an-trano vao avy ny orana. Izany dia vokatry ny fanotorana tany sy fanaovana rindrim-bato eo akaiky eo, nefa tsy nanisy lalan'ny rano.

Tsy sahy mitroatra ny mponina noho ny kely tsy mba mamindro, manontany tena sisa ny hoe nahazo alalana tamin'ny Kaominina ve izao fanotorana tsy nanisy lalan-drano izao, ka dia ny manodidina no iharan'ny fiakaran'ny rano.

Efa andro vitsivitsy izay no avy ny orana taty Sambava, misy renirano ahiana hiakatra, fa arahi-maso aloha hatreto.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.