Mpiasam-panjakana: Miisa 23 437 ny « fantômes »

  • jeudi, 16 janvier 2020 09:43
  • Zakaria

Misy mpiasam-panjakana 23 437 hatreto tsy fantatra na aiza izy ireo no miasa na aiza, na ireo antsoina hoe “fonctionnaires fantômes” taorian’ny fanisana sy fitsirihana ny tena isan’ny mpiasam-panjakana marina.

Mitohy ny fanadiovana ary foanana ny « remplacements numériques systématiques» araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly.

Miisa 187 998 ny mpiasam-panjakana rehetra ka ny 75 320 ny fonksionera, 69 837 EFA, 7 655 ECD, 1 235 ELD, 4 457 ECD PIP, 29 494 kosa dia mpiasam-panjakana any amin’ireo andrim-panjakana sy ny EPA ary ny EPIC.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.