Haintrano tao Isalo-Vohipeno: Nanolotra tafo miisa 1000 sy sakafo ny fanjakana hiatrehana ny fiarenana

  • mardi, 14 janvier 2020 08:37
  • Zakaria
  • Sary nomena

Nandefa iraka tany Isalo, Distrikan’i Vohipeno, Faritra Vatovavy Fitovinany ny fanjakana, omaly, nanoloana ny fahamaizana nitranga tao amin’ity tanàna ity ny tolakandron’ny sabotsy lasa teo.

Tafo fanitso miisa 1000, kojakoja fampiasa an-dakozia isan-karazany, vary 60 kitapo, ary voamaina 30 kitapo no natolotry ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny BNGRC ho an’ ireo tra-boina, entina hiatrehana ny fiarenana.

Marihina fa trano miisa 235 no lasibatra, izay vokatry ny tsy fifehezana ny afo avy amina trano fiantsonan’ny fiara iray ka niparitaka tamin’ny tanàna. 1115 ireo tra-boina sy tsy manan-kialofana any an-toerana, saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.