Jiolahy mitam-basy sy mpanolana: Nidoboka any Tsiafahy i Nancy

  • dimanche, 12 janvier 2020 13:51
  • Zakaria
  • Sary Polisim-pirenena

Jiolahy nampitondra faisana ny mponina, indrindra ny vehivavy tamin'iny faritra Ambohipo, Ambolokandrina, Ankatso sy Antsahamamy iny i Nancy. Sady mitam-piadiana no manolana vehivavy ity jiolahy ity.

Voasambotry ny Polisin'ny Boriboritany Faha-2 ity tovolahy jiolahy mpamaky trano sy manendaka, manolana ny vehivavy ity, ary natolotra ny Fitsarana ny sabotsy 11 janoary.

Nivoaka ny didy savaranonando, nalefa any amin'ny fonjan'i Tsiafahy izy taorian'izay.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.