Faritanin’i Toliara: Haverina ny fifidianana amin’ny Kaominina miisa folo

  • samedi, 11 janvier 2020 11:10
  • Zakaria

Kaominina miisa folo ao amin’ny Faritanin’i Toliara no nofoanan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana Toliara ny fifidianana kaominaly natao tao amin'ny 27 novambra 2019, noho ny tsy fahatomombanana.

Voakasik’izany ny ao amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Morondava, Faritra Menabe, Kaominina ambonivohitr’i Ampanihy Andrefana, Faritra Atsimo Andrefana, ny Kaominina ambonivohitr’i Tsihombe, Faritra Androy.

Haverina ato anatin’ny 120 andro ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina amin’ireo Kaominina ireo, ny CENI no hamaritra ny daty hanatanterahana ny latsa-bato amin’izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.