Faritanin’Antananarivo: Haverina ny fifidianana amin’ny Kaominina Antenimbe, Analoroa ary Faratsiho

  • samedi, 11 janvier 2020 10:07
  • Zakaria

Kaominina miisa telo ato amin’ny Farintanin’Antananarivo no nofoanan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny fifidianana kaominaly natao tao amin’ny 27 novambra 2019, ka ny iray ao amin’ny Faritra Itasy, dia ny Kaominina ambanivohitra Antenimbe Distrikan’Arivonimamo, ny faharoa ao amin'ny Faritra Analamanga, Kaominina Analaroa, Distrikan’Anjozorobe, ary ny fahatelo ao amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Faratsiho, Faritra Vakinankaratra.

Haverina ato anatin’ny 120 andro ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina amin’ireo Kaominina ireo, ny CENI no hamaritra ny daty hanatanterahana ny latsa-bato amin’izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.