Iran: Fahadisoana tsy nahy hoy ny Tafika no nahavodaroka ilay Boeing 737

  • samedi, 11 janvier 2020 10:06
  • Tigre
  • Sary nindramina

Mitohy hatrany ny fanadihadiana izay andraisan'ireo firenena manana mpandeha maty tao anatin'ilay fiaramanidina Boeing 737 an'i Kaompania Ukraine Airlines International (UAI), nidoboka ny alarobia 08 janoary, ka nahafaty mpandeha sy mpanamory 176.

Nanao fanambarana ny lehiben'ny Tafika iranianina fa nanakaiky ny faritra miaramila ilay fiaramanidina, ka noheverina fa fiaramanidina fahavalo, izay tao anatin'ny fifandonana tamin'ny Amerikanina izy ireo, ka voadaroka ilay fiaramanidina okrenianina nitondra mpandeha 176.

Nilaza ny filoha iranianina, Hassan Rohani, fa tsy azo ekena ny fahadisoana toy izao, ka hanokatra fanadihadiana ary ametraka izay tompon'andraikitra tamin'izany eo anivon'ny fitsarana iranianina.

Naneho ny fialan-tsiny sy fiaraha-miory amin'ny fianakavian'ny maty ireo tompon'andraikitra iranianina, ary manameloka ny fihetsiky ny Amerikanina nahatonga izao krizy izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.