Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana: Mandrahona hikotona ireo mpiraki-draharahan'ny Fitsarana

  • lundi, 02 décembre 2019 12:04
  • Zakaria

Mahatsiaro ho zanak’ikalahafa ireo Mpiraki-draharahan'ny Fitsarana miasa eny anivon’ireo Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana miisa enina eto Madagasikara, amin’ny fisahanana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna notontosaina ny alarobia 27 novambra 2019 nanerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

« Samy miasa mafy na ny mpitsara na ny mpiraki-draharaha nefa ampahafolon’ny tambinkarama omena ny mpitsara ny omena ny mpiraki-draharaha amin'ny fikirakirana ny voka-pifidianana kaominaly. Tsy miady hitovy amin’ny mpitsara ny mpiraki-draharaha fa farafaharatsiny mba antsasany fa tsy ampahafolony, satria tsy nampandraisina anjara tamin’ny fanapahana ny fitsinjarana ny tambinkarama ny Mpiraki-draharaha », hoy ny fanazavana azo.

Mandrahona ny hitokona ireo mpiraki-draharahan'ny Fitsarana amin’ny alakamisy 5 desambra 2019 izao, manoloana io tranga io. Nanao fampahafantarana ny hisian’io fitokonana io izy ireo tamin’ity andron’ny alatsinainy 2 desambra 2019 ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.