Vinaninkarena – Antsirabe: Kandida any am-ponja no mitarika vonjimaika tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna

  • dimanche, 01 décembre 2019 14:41
  • Zakaria

Miisa 11 ireo kandida Ben’ny tanàna nifaninana tato amin’ny Kaominina Vinaninkarena, Distrikan’Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra. Anisany ny Ben’ny tanàna farany, izay nirotsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina.

Tsy nanomboka akory ny fampielezan-kevitra dia voatazona am-ponja vonjimaika ity kandida ity, noho ny raharaha nahavoarohirohy azy ara-pitsarana. Izy no mitarika vonjimaika amin’ny voka-pifidianana tao amin’ity Kaominina Vinaninkarena amin’ny voka-pifidianana notanterahina ny alarobia 27 novambra 2019 teo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.