Sambava: Tovolahy matin’ny herinaratra tany ampakana hazo

  • lundi, 18 novembre 2019 17:26
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Tovolahy iray, manodidina ny 20 taona, no maty tsy tra-drano main’ny herinaratra ny alahady 17 novambra 2019, tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro.

Tany an-tsaha, naka hazo tao Ambodisatrana II izy sy ireo namany, ary an-dalana hody no tra-doza ; nikasoka tamin’ny taribin’ny Jirama mitondra herinaratra mahery vaika, izay somary mikirazorazo ka maty tsy tra-drano.

Nampandre ny olona tany an-tanàna sy ny manampahefana ity loza ireo namany niara-dia taminy. Tonga ny avy amin’ny Jirama sy ny Zandary ary koa ny mpitsabo nanamarina ny fisian’ny loza.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.