Gare Routière Maki-Andohatapenaka: Nitokona ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly

  • jeudi, 14 novembre 2019 16:06
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mitokona ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly amin’ny lalam-pirenena faha-6, faha-4 ary Voalohany. Navoakan’izy ireo ivelan’ny toby fiantsoanana ny fiara androany. Raha ny filazan’ireo mpitatitra dia tsy mety amin’izy ireo ny fepetra napetraky ny mpitantana ny toby fiantsonana sy ny atokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety.

Anisan’ny fepetra vaovao ny hoe: foanana ny « soute » na ilay toerana namboarina manokana hametrahana entana ao ambany fiara ; ferana ho 15kg ny entana azon’ny mpandeha iray entina ary tsy mihoatra ny 80cm ny haavon’ny entana eny ambony fiara.

Niray hina tamin’ireo namany nanao fitokonana tetsy Andohatapenaka ihany koa ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly ao Mahajanga.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.