State Procurement of Madagascar: Hisahana ny fanafarana sy fitsinjarana ireo entana tena ilain’ny mponina

  • mercredi, 06 novembre 2019 22:32
  • Zakaria

Nankatoavina ny fananganana ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM), hisahana ny fanafarana sy fitsinjarana ireo entana tena ilain’ny mponina sy ireo entana iankinan’ny aim-bahoaka toy ny solika sy ireo entana miankina tanteraka amin’ny fanafarana entana avy any ivelany.

Mahatsapa ny fanjakana fa mitarika fahasahiranana ho an’ny vahoaka ny fiankinandoha be loatra amin’ireo orinasa izay manararaotra eo amin’ny fitsinjarana sy fanafarana entana avy any ivelany ka mampidangana ny vidim-piainana, izay mila tsy ho takatry ny ankamaroan’ny Malagasy, ka tsy mitarika ho amin’ny fandrosoana, ka nitarika amin’izao fanapahan-kevitra hananganana ny orinasa SPM ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.