Hery Rajaonarimampianina: Mankalaza ny tsingerintaona faha-61 taona nahaterahany

  • mercredi, 06 novembre 2019 18:55
  • Zakaria
  • Sary nindramina

6 novambra 1958 - 6 novambra 2019, feno 61 taona androany i Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial. Manampahaizana manokana momba ny kaontim-bola izy.

Filoham-pirenena voafidim-bahoaka voalohany tato anatin’ny Repoblika faha-4 izy, nitondra an’i Madagasikara teo anelanelan’ny 25 janoary 2014 ka hatramin’ny 7 septambra 2018. Taorian’ny fihodinana faharoana natao ny 20 desambra 2013 no nahavoafidy azy tamin’ny salanisam-bato 53,49%, araka ny voka-pifidianana navoakan’ny CES (Cour électorale spéciale) tamin’ny 17 janoary 2014, raha nifaninana tamin’ny Dr Jean Louis Robinson.

4 taona sy 7 volana ary 13 andro no naharetan’ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina, raha toa ka 5 taona no voalazan’ny andininy faha-45 amin’ny Lalampanorenana.

Praiminisitra no nifandimby niara-niasa taminy nandritra io fe-potoana niasany io dia i Jean-Omer Beriziky, Roger Kolo, Jean Ravelonarivo, Olivier Mahafaly Solonandrasana ary Christian Ntsay.

Minisitry ny vola sy ny tetibola i Hery Rajaonarimampianina nandritra efatra taona tamin’ny tetezamita, teo anelanelan’ny 2009 – 2013, nitondran’i Andry Rajoelina.

Filoha mpanorina ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM), antoko izay nirotsahany hofidiana tamin’ny 2018, saingy nihintsana tamin’ny fihodinana voalohany izy, nahazo 8%. Hanao filankevitra nasionaly ny HVM amin’ny 8 novambra 2019 izao etsy amin’ny foibeny etsy Andraharo Antananarivo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.