Andilamena: Maty voatifitra i Mbaza, dahalo raindahiny

  • vendredi, 01 novembre 2019 19:23
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Dahalo iray maty, telo hafa naratra, raha nifanandrina tamin’ny Zandary tao Mangabe Kaominina Antanimenabaka, Distrika Andilamena, Faritra Alaotra-Mangoro, ny marainan’ny talata 29 oktobra 2019 tamin'ny 5 ora sy sasany.

Dahalo am-polony no nanao andiany tamin’io, ka lavo tamin’izany i Mbaza na Shel. Nentin’ireo namany nitsoaka ireo naratra. Tavela ny basy kalachnikov iray, miaraka amin’ny fanafody gasy ary masolavitra fampiasan’ireo dahalo.

Tsy nisy voakitika kosa ny mpitandro ny filaminana.

(Jereo sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.