Toamasina: Taribin-jiron’ny Jirama mirefy 2500m nisy nangalatra

  • vendredi, 01 novembre 2019 18:51
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nisy nangalatra ny taribin-jiron’ny Jirama mirefy 2500 metatra amin’ny tambazotra vaovao, manana tanjaka 35KV, mitondra herinaratra miainga any Volobe manketo Toamasina. Androany 1 novambra 2019, tokony ho tamin'ny iray ora maraina tany ho any no nitrangan’ny halatra.

Ahiana ny hisian'ny fahatapahan-jiro amin’ny faritra maromaro eto Toamasina noho ny tsy fahampian'ny herinaratra tonga eto an-toerana, noho ity fahabangana taribin-jiro ity.

Am-perinasa ny teknisian’ny Jirama manolo ilay taribin-jiro ka vinavinaina ho vita anio alina ny asa.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.