Nosy Be - Hell Ville: Botry saron’ny Tafika an-dRanomasina Malagasy nitrandraka dingadingana an-tsokosoko

  • vendredi, 01 novembre 2019 18:14
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nandritra ny fisafoana nataon’ny sambo « RC Trozona » an’ny tafika, izay manaramaso ny fari-dranomasin’i Madagasikara, no nahitana an’ity botry mitrandraka an-tsokosoko dingadingana an-dranomasina ity teo Banc de Leven, izay fari-dranomasina avaratr’i Nosy Be - Hell ville.

Saika tsy hijanona ilay botry raha tsy nanao tifi-danitra ny Tafika. Dingadingana roa koveta miampy fitaovana maromaro izay raran’ny lalàna ny fampiasana azy no sarona.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.