Analavory – Manakara: Mpizaika FLM tra-doza, zaza roa maty, 34 naratra

  • mercredi, 09 octobre 2019 20:23
  • Britto
  • Sary nindramina

Fiara Sprinter iray nitondra olona miisa 36 avy ao Ambodirafia Ifanadiana, hamonjy zaikabe Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) aty Manakara no tra-doza, androany maraina, teo amin’ny fiolahana atao hoe Lapapa amin’ny lalam-pirenena faha-12, eo amin’ny PK 55+100.

Zaza roa mianadahy, 6 sy 4 taona no namoy ainy tamin'ity lozam-piarakodiana ity. Mpandeha 34 hafa naratra nalefa ao amin’ny hopitaliben’i Manakara, ka voa mafy ny 7 amin’ireo, mila mamonjy renivohitra ny fitsaboana noho ny halehiben’ny fahavoazana mahazo azy ireo.

Tonga nampahery ireo niharam-boina teny amin’ny hopitaly ny filohan’ny FLM, Dr Rakotonirina David sy ireo manampahefana eto Manakara.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.