Fanadinana: Mifanitsaka ny Bacc « 2e session » sy ny fanadinan'ny CNTEMAD

  • mardi, 08 octobre 2019 17:06
  • Tigre

Hahemotra amin’ny fotoana tsy mbola voafaritra ny fanadinana nasionaly enim-bolana faharoa ho an’ny CNTEMAD araka ny fanambarana nataon’ny sekoly androany talata 8 oktobra 2019, fanadinana tokony hatao ny 21 hatramin'ny 25 oktobra 2019.

Noraisina ny fepetra hoy ny sekoly satria mifanindry ny andro anatanterahana ny fihodinana faharoa manokana amin’ny fanadinana bakalorea ankapobeny, izay hanomboka andro alarobia ny 23 oktobra, ary hifarana ny sabotsy 26 oktobra 2019, sy ny fanadinana amin'ny fampianarana ampitain-davitra sahanin'ny CNTEMAD.

Ho an’ny eto Antananarivo manokana, dia sady foibem-panadinana bakalorea ny Lycée Moderne Ampefiloha (LMA) no foibem-panadinana amin’ny fanadinan'ny CNTEMAD amin’io herinandro io.

Hampahafantarina amin’ny fotoana manaraka ny daty hanatanterahana ny fanadinan'ny CNTEMAD araka ny fanambarana nataon’ny sekoly.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.