Tany Amborovy sy terrain tennis ambadiky Gymnase: Miroso amin'ny fifampiraharahana amin'ny tompon-tany ny fanjakana

  • samedi, 05 octobre 2019 21:42
  • Tigre
  • Sary nomena

Nanantona ireo tompon-tany ny minisitry ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo, io tolakandron'ny sabotsy 05 oktobra io, nifampiraharaha tamin'ireo tompon'ny tany, izay nisy ampahany nalaina hidirana ao amin'ny tanin'ny ASECNA izay hanamboarana ny building Mahajanga, tetikasan'ny Filoham-pirenena.

Torak'izay ihany koa ny ampahan-tany ao ambadiky ny Gymnase, izay anitarana ny kianja mitafo ankehitriny.

Natao ny taratasy, ary dia hiakatra any Antananarivo ireto tompon-tany amaranana ny fifanarahana, ny préfet dia mbola ampivory ireo tompon-tany ireo amin'ny alatsinainy 07 oktobra ao amin'ny Gymnase Mahajanga.

Tsy mbola voafaritra mazava aloha hatreto ny vidin'ny tany honerana, fa efa samy manaiky ny roa tonta ny hifanaraka amin'ny akan'ny fanjakana ny tanin'izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.