Fifidianana kaominaly: Manomboka ny « pré-campagne »

  • mercredi, 25 septembre 2019 19:30
  • Zakaria

Manomboka izao dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny fotoana fiomanana mialoha ny fampielezankevitra (pré-campagne) isika, hoy ny eo anivon’ny CENI. Efa saika samy nahazo ny laharany ao amin’ny bileta tokana ny kandida Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina rehetra, ary samy afaka manangana ny komity mpanohana azy eny anivon’ny Kaominina sy ny Fokontany.

Afaka mampahafantatra ny tenany ihany koa ireo kandida, saingy manentana hatrany ny CENI ny amin’ny tsy tokony hanaovana endrika fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana.

Hanomboka ny talata 05 novambra 2019 amin’ny 06 ora maraina hatramin’ny alatsinainy 25 novambra amin’ny 12 ora alina ny fampielezan-kevitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.